Tsy nanadino ireo ankohonana nifindra monina any Ambohimiarina ny Fanjakana. Novatsiana sakafo izy ireo hiatrehany ny fetim-pirenena. Ireo fianakaviana vonona amin’ny fambolena sy fiompiana no raisina eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny Iray volan’ny ankizy sy ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, ny hetsika notanterahina teny Ambohimiarina. Mahatsiaro ireo ankohonana eny […]
Fiaraha-monina
Mpandray fisotroan-dronono: hahazo 50 000 Ar avy amin’ny Cnaps
Ho fanamarihana ny asaramanitra, ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hotolorana vola mitentina 50 000 Ar ny zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono ao amin’ny Cnaps manerana ny Nosy. Nisy solontena nandray ny vola mivantana teny Alarobia, omaly, izay natolotry ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra. […]
Orange Solidarité Madagascar: nomena sehatra hilalao ny ankizy, tetsy Anosy
Natao teny Anosy, omaly, ny fiombonana amin’ny ankizy ao anatin’ny Iray volana natokana ho azy ireo, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Teo ny Orange Solidarité, ny Unicef, ny CUA ary ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie nifarimbona nanome sehatra ho an’ny ankizy. Nohamafisina tamin’ireo ankizy ny fahafantarany ny […]
Fiahiana sosialy manaraka toetrandro: nampahafantatra tolotra vaovao efatra ny Cnaps
Nampahafantatra tolotra vaovao efatra ho fanatsarana ny fiahiana sosialy ho an’ny orinasa sy ny mpiasa mandray karama ny Tahirimbolam-pirenena ho an’ny fiahiana sosialy (Cnaps), omaly, teny Alarobia. «Feno 70 taona ny Cnaps. Hanamafisana izany ny fidirana amin’ny vanim-potoana mikirakira ny niomerika», hoy ny tale jeneraliny, Rahaingonjatovo Vimbina. Hiara-miasa amin’ny banky […]
Fikirakirana ny tambajotra sosialy: miantraika amin’ny fomba fisainan’ny tanora
Marolafy ny fiantraikan’ny fampiasana tsy ara-drariny na diso tafahoatra ny tambajotra sosialy ho an’ny tanora. Fanamby ho an’ny fivoaran’ny fisainana sy ny fifandraisany eo amin’ny fiarahamonina ary fampandrosoana ny teknolojia niomerika. Fanamby goavana amin’ ny fampandrosoana ny firenena sy ny fomba fisainan’ny fiarahamonina ny fahaiza-mikirakira tambajotra sosialy. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika […]




