Ho fampandrosoana ny asan’ny faritra Anosy izay tantanin’ny governora Rakotovelomanantsoa Voahary, nanolotra fiara tsy mataho-dalana iray ny tetikasa Mionjo. Hentitra ny governora nilaza fa hampiasain’ny mpiara-miasa amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eny ifotony ny fiara. Ireo talem-paritra tsy manana fiara ihany koa dia afaka mampiasa izany ho amin’ny fanatanterahana ny […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Lac Iarivo : Ho vita alohan’ny Sadc ny foibe fampirantiana iraisam-pirenena
Mandroso ny asa eny amin’ny Lac Iarivo Ivato. Ho vita mialoha ny handraisana ny fihaonamben’ny Sadc ny Foiben-toerana fampirantiana iraisam-pirenena. Nijery ny fizotry ny asa fanorenana ilay Centre d’exposition international, ao anatin’ny tetikasa Lac Iarivo, eny Ivato, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, […]
Andian-jatovo mpanao herisetra : Enin-dahy indray voasambotra tao Toamasina
Miverina indray raha somary nilamindamina teo ho eo ny tambajotran’ireo andian-jatovo mpanao herisetra sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. Ankoatra ny tsy fandriampahalemana efa mampikaikaika, manao ny ataony koa ireto andian-jatovo manao asan-jiolahy ireto. Manoloana izany, nihorohoro indray ny mponina ao amin’ny fokontanin’Ambalamanasy sy Andranomadio 11/43 sy ny manodidina amin’ny afitsoky […]
Oniversite Ankatso : Hamafisina ny fitandroana ny filaminana
Natao tao amin’ny efitrano « R+Rose » Ankatso ny adihevitra sy dinidinika momba ny fametrahana fandriampahalemana maharitra eny amin’ny faritry ny Oniversite Ankatso. Nitarika ny fivoriana ny talen’ny kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, Voahirana Raboanarijaona, ny tale jeneralin’ny Centre régional des œuvres universitaire d’Antananarivo, Mamisoa Aina. Teo koa […]
Niharan’ny fanolanana: Tovovavy nirahin-drainy hividy rongony
Niharan’ny fanolanana nataona mpivarotra rongony ny tovovavy iray 16 taona, zanaky ny raim-pianakaviana iray nirahiny hividy rongony, tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie Toamasina, ny fiandohan’ny volana jona teo. Efa tsy nety nandeha ity tovovavy niharam-boina ity saingy noteren’io rainy io, noho izy te hifoka zava-mahadomelina. Tsy vitan’izay fa mbola tratran’ny […]





