Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa ahina ny mety hisian’ny fiforonana andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny faran’ny herinandro. Ambany amin’ny ankapobeny ny tsindrin’ny habaka eto amin’ny Nosy, ao anatin’ny efatra andro ho avy. Hahazo vahana kosa ny varatraza aorian’izay. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka saika […]
Fiaraha-monina
Oniversite : manara-maso ny fikirakirana vatsim-pianarana ny minisitera
Anisan’ny fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ao anaty 100 andro ny hanomezana vatsim-pianarana ny mpianatra ara-potoana. Nidina ifotony teny amin’ny CIDST Tsimbazaza, nijery ny fizotry ny asa ny minisitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hita fa miasa andro aman’alina ireo tomponandraikitra mamita ny dingana tokony harahina rehetra. Ny […]
Minisiteran’ny Mponina : mikarakara fifaninanana ho an’ny vehivavy
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy ny fifaninanana karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina mahakasika ny tantaram-pahombiazan’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Lohahevitra telo no voizina amin’izany dia ny fijoroana vavolombelona na ny fizarana ny fahombiazana amin’ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ho an’ireo tokantrano mampiasa ny fandrindram-piterahana. Manaporofo fa mitondra […]
Ady amin’ny lefakozatra: distrika telo nandefasana vaksiny
Nihaona tamin’ny mpitondra fanjakana malagasy ny delegasiona avy amin’ny Global Polio Eradication Initiative, ny herinandro lasa teo. Nidinika tamin’ny OMS Madagascar sy ny Firenena mikambana eto Madagasikara ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanaovana vaksiny izy ireo. Miompana amin’ny fanasongadinana ny anjara asan’ny vaksiny amin’ny ady amin’ny lefakozatra, ny fampiroboroboana ny […]
Masoandro Mody – Fetin’ny renibe: hampirantiana ny asa tanan’ ny zokiolona
Mbola mahavita asa ary mila ampirisihina tsy hipetrapetra-poana ny zokiolona, hoy ny tomponandraikitry ny fikambanana Madagascar Alzheimer, Masoandro mody. Voalaza fa tsy ny taona efa mandroso na ny aretina aterak’izany no sakana amin’ny fivelarana maha olona. Maro ny traikefa ananan’ireo zokiolona mbola azony ampiharina ho fikolokoloana ny saina sy ny […]