Fiaraha-monina

Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana

Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Man­gataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Ta­nàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona […]

Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud

Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay… Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny […]

Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra […]

Anjanahary : telo lahy nanolan-jaza nalefa eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, afakomaly, ireo telo lahy nanolan-jaza teny An­janahary. Mpianatra avokoa izy telo mirahalahy ireo. Ankizivavy 16 taona io lasibatry ny filan-dratsin’izy ireo io. Nifankafantatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny mpanolana sy ny voaolana. Raikitra ny fihaonana voalo­hany, teny Andravoahangy. Nentin’ilay tovolahy nihazo ny tranony teny Anjanahary ilay ankizivavy […]