Manatanteraka ny asa sosialy amin’ireo akany sy ivontoerana any amin’ny faritra Diana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny akany FLM, fitaizana ireo olona marenina, ny tenany nanolotra lamba firakotra sy koveta ary milina fanjairana hahafahan’izy ireo mianatra asa. Miisa 21 ireo […]
Fiaraha-monina
Hisorohana ny tondradrano: mitohy ny fanadiovana ny lakandrano
Nitohy ny firotsahan’ny orana eto amin’ny faritra Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Mitohy tsy ankiato ihany koa ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny lakandrano amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehetra, hoy ny Apipa. Miakatra ny rano amin’ireny faritra ireny ka miasa isan’andro amin’ny fanalana ny fako mitobaka sy ny tsikafona […]
Tetikasa « IRF tanora »: Nahazo fiofanana ny tanora eny ifotony
Tontosa omaly ny fiofanana nataon’ireo tanora mpitarika avy amin’ny fokontany 32, ato anatin’ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Hetsika ao anatin’ny tetikasa “IRF Tanora”, izay vatsian’ny PBF (Peacebuilding Fund) vola. Iarahan’ny vondrona Unicef sy ny PNUD ary ny UNFPA manatanteraka. Misehatra sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina ny […]
Fanadinana Bakalorea: manomboka ny fisoratana anarana
Afaka efa-bolana ny fanadinana Bakalorea. Efa fotoana hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izao. Tsy tokony hiandry amin’ny ora farany ny fanaovana izany. Nanomboka ny 13 febroary teo ary hitohy hatramin’ny 26 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana Bakalorea. Nampahatsiahy izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa […]
Tetikasa “Tsinjo Soa”: toeram-pidiovana miisa 2 100 no hatsangana
Mitentina 750 000 dolara ny famatsian’ny USAID ny tetikasa “Tsinjo Soa” amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasam-pidiovana miisa 2 100. Haharitra 3 taona ny fanatanterahana izany, iaraha-miasa amin’ny Loowatt Madagascar. Tanjona ny hisian’ny vahaolana momba ny fidiovana ho an’ireo tokantrano sahirana eto Antananarivo. Maro rahateo ireo ankohonana tsy manana toeram-pidiovana akory noho […]