Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]
Fiaraha-monina
Comores : mirongatra ny “cholera”
Manoloana ny firongatry ny valanaretina «cholera” ao Mozambika sy ny nosy Comores, namoaka naoty ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Boeny ny amin’ny fepetra manokana tsy maintsy raisina. Miato avokoa, araka izany, ny sambo mpitondra mpandeha rehetra avy any Comores. Toraka izany, ny sidina ana habakabaka rehetra avy any Mayotte, miato […]
Aretin’ny taovam-pisefoana : mifarimbona amin’ny hopitaly maro ny CHU Andohatapenaka
Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka. Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao. Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny […]
MESUPRES: nanome ordinatera ny onivesiten’Antananarivo
Nihaona teny Fiadanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS), Dr Razafiharison Andriamanantena sy ny fianakaviamben’ny oniversiten’Antananarivo. Voasolo tena avokoa ny tomponandraikitra sy ny filankevitra siantifika notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy. Nanotrona koa ireo lehiben’ny toeram-pianarana sy ny lehiben’ny sampam-pianarana samihafa. Nandritra ny fihaonana, nanaovana tsidi-dresaka […]
Ampefiloha: misy mivarotra amin’ny kilao ny dabam-pako
Tratra tao amin’ny toerana “vorodamba” eo am-pitetehana ny dabam-pako ireto mpangalatra 3 lahy sy vehivavy iray izay mpandray ny entana halatra, ny alakamisy teo. Zaza tsy ampy taona ny iray tamin’ireo mpangalatra ka nalefa avy hatrany tany amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona. Nokasaina hamidy amin’ny kilao ny […]