Fiaraha-monina

Mandritra ny adina BEPC : Entanina ny ray aman-dreny tsy hividy laza adina

Haharitra hefarana ny fanadinana BEPC, hifarana ny alakamisy, ho an’ireo hiatrika ny taranja tenim-pirenena vahiny. Mahatratra 299 312 ny mpiadina manerana ny Nosy. Teny amin’ny CEG Tanjombato no notsidihin’ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, Sahon­drari­malala Marie Michelle, sy ny ekipany nandritra ny fisantarana ny fanadinana BEPC, omaly maraina. “Misy lamina sy paikady ny […]

Tsenabe fivoarana: nisitraka ny andiany faharoa Arivonimamo

Nandray ny Tsenabe fivoarana, andiany faharoa, ny distri­kan’Arivonimamo tamin’iny herinandro iny. Nanomboka ny talata ary nifarana ny zoma lasa teo izany. “Ao anatin’ny fitarihana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ezahina ny mampifandray ny mpamokatra sy ny mpandray vokatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fivoarana sady solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine. […]

Yess Girls Movement-Fanilon’i Madagasikara: tanora 100 nanasongadina ny sehatry ny siansa

Nanatanteraka hetsika fanairana ireo ankizy hirona amin’ny sehatra siantifika ny Yess Girls Movement-Fanilon’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny EPP Besarety. Mpianatra 100 avy amin’ny sekoly 10 eto Antananarivo sy ny manodidina no nifarimbona naneho ny tetikasa kely, izay manasongadina ny fahaizana amina teknika tsotra kanefa azo ampiharina. Teknika […]

Fanjarian-tsakafo: manabe ny ray aman-dreny sy any an-tsekoly ny firaisamonim-pirenena

Anisan’ny mandray anjara momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanentanana ny vahoaka ho an’ny sakafo ara-pahasalamana ny firaisamonim-pirenena, araka ny fanazavan’ny ONG Hafa sy ny Mentor ECCE. Manabe ny ray aman-drenin’ireo ankizin’ny lalana ny ONG ka mam­pahafantatra ny zava-misy sy ny sakafo mahavelona. Manen­tana any an-tsekoly koa izy […]