Nanaraka ny lamina araka ny tokony ho izy ny mpiadina rehetra eo amin’ny foibem-panadinana Jean Joseph Rabearivelo ka tsy mbola nisy ny fahasarotana hatramin’ny omaly. Mizotra ara-dalàna hatreto ny fanadinam-panjakana BEPC ao amin’ny foibe Jean Joseph Rabearivelo nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly. Miisa 1 349 ireo mpiadina ao amin’io toeram-pianarana […]
Fiaraha-monina
MSP: Nankasitrahana ireo polisy mendrika
Nandray sy nankasitraka manokana ireo polisim-pirenena roa: ny commissaire de Police Andriamiharimanana Rojo, sy ny Officier de Police Sarisaina Micky Neslon, nahavita fiofanana nandritra ny herintaona tany Frantsa, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, omaly. « Porofon’ny fahaiza-manaon’ny polisim-pirenena izao vokatra izao », hoy ny MSP. […]
FJKM Ilanivato: Jobily faha-25 taonan’ny Mpitandrina
Hotanterahina ny alakamisy 03 jolay 2025 ho avy izao, amin’ny 09 ora maraina, ao amin’ny FJKM Ilanivato Misionera, ny fotoam-pivavahana noho ny faha-25 taona maha mpitandrina an-dRafaliarivonisolo Olivier Gérard. Ny synodam-paritany SPAA10 no hitarika ny fotoana amin’io, raha ny alahady 06 jolay 2025, amin’ny 08 ora sy 30mn maraina kosa […]
INDRAY MIJERY
Fankalazana ny jobily faha-45 taon’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha. Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa. Nanotrona teny an-toerana koa ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahian’ny Avo. Nisy ny teny faneva «Mitombo tsara ho tempoly masina ao […]
Foibe famantarana ny toetry ny andro: Vita ny asa fanavaozana ny fotodrafitrasa
Notokanana omaly ny fotodrafitrasa. “Vita ny fanavaozana ny foibe famantarana ny toetry ny andro izay tsy lavorary loatra teo aloha ka tsy nahitana fahombiazana amin’ny lafiny maro”, hoy ny minisitry ny Fitanterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valéry. Tsy ampy koa, raha ny nambarany, ny fampitaovana nahafahana […]





