Fiaraha-monina

Ambilobe : amboarina amin’ny akora misy ny tranon-tantely

Nanomboka ny volana septambra 2023, nisitraka tan­tsoroka teknika ireo mpiompy tantely any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy sy Bera­manja, distrikan’Ambilobe. Miara-dalana amin’izy ireo amin’izany ny mpiompy tan­tely efa nahazo traikefa ani­von’ny kaoperativa FAMA. Nohamafisina ny fomba fanamboarana tranon-tantely, amin’ny alalan’ny akora fototra hita any an-toerana, ny fomba fisarihana andian-tantely, ny fomba fiotazana […]

Toetr’andro : manambana ny fiforonan’ny rivodoza

Nilaza ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa hisy fiforonana rivodoza any amin’ny sisiny atsinanan’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity herinandro ity. Heverina tsy hahakasika an’i Mada­gasika anefa izany raha ny tombana. Tombanana ny hisian’ny fandalovana rindrin-drahona any amin’ny ilany atsimo atsinanana manomboka anio. Hitondra rotsakorana betsaka any […]

Valan-javaboahary Tsimbazaza : efa nivoaka ny volam-panjakana hanaovana ny fanarenana

Ho tsara karakara ireo biby ompiana ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza manomboka izao. Efa azo ampiasaina ny vola ho amin’izany. Tsy niandry ela fa avy hatrany! Natao izay ni­voahan’ny vola ho fikarakarana haingana ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Tanjona ny famonjena ny ain’ ireo karazam-biby izay efa nijaly fatratra. Efa azo ampiasaina, araka […]

CEE 2024 : voafantina ireo tanora hanaraka fiofanana

Nampahafantarin’ny maso­i­voho amerikanina, om­aly, ireo tanora 4 mirahavavy voafantina hisitraka ny “Com­munity Enga­gement Exchan­ge Program, (CEE)”, taona 2024. Anisan’ izany i Jannie Betrasimplice, Razafiarivony Raissa, Randria­rimanana lalaina ary Randria­mam­pi­anina Mialy. Voafidy hanaraka ny fiofanana CEE izy mirahavavy voalohany, raha ho mpitari-dalana na CEE Specialists kosa i Lalaina sy i Mialy. […]

Angovo azo havaozina : hampianarina amin’ ny sekoly teknika

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fam­pi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny sehatry ny taotrano sy ny asa vaventy ary ny loharano stratejika. Nisy ny fanadihadiana natao momba ny angovo azo havaozina. Niarahana tamin’ny GIZ sy ny Insitut européen de coopération et de développement (IECD) ny nanatanterahina izany. Hametraka rafitra fanofanana mifanaraka […]