Fiaraha-monina

Mama Germaine: nitranga avokoa ny faminaniana hitany

Efa hatramin’ny taona 1997 no efa nisy bitsika tonga taminy avy amin’ny mpahary ary naniraka azy mivady hiala ny asany teo anivon’ny hopitaly fa hataon’Andriamanitra fitaovana ho mpampita hafatra eo amin’ny mpitondra, araka ny nambaran’i Mama Germ­aine. Nampitany tamin’ny filohan’ny Repoblika Ratsiraka Didier, tamin’ izany fa “tsy mahantra i Madagasikara […]

Fondation Axian: ampiana ireo olona manana fahasembanana

Nahatsiaro ireo olona manana fahasembanana ny Fondation Axian, omaly. Nizarana kojakoja iatrehany ny fetim-pirenena ireo olona marefo manana fahasembanana sy tena sahirana. Efa fanao isan-taona, nandritra ny 3 taona, ny hetsika. Indroa isan-taona ny famoriana ireo olona manana fahasembanana hizarana tohana ankoatra ny fanampiana azy ireo isam-bolana. Omena tohana ara-bola […]

Rotary Antananarivo Vovonana: ankizy 200 nomena tolotra fahasalamana

Nikarakara fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny ankizy sahirana ao amin’ny fokontany Besarety sy ny manodidina ny Rotary club Antananarivo Vovonana sy ny école Pre-vert, tamin’ity herinandro ity. Fiaraha-miasa efa mahazatra, fanao isan-taona, izao ho an’ny fikambanana sy ny sekoly ary ny fokontany izay nifantina ireo mpisitraka ny tolotra fahasalamana, araka ny […]

Ambohimiarina: nizarana tohana ireo ankohonana nifindra monina

Tsy nanadino ireo ankohonana nifindra monina any Ambohimiarina ny Fanjakana. Novatsiana sakafo izy ireo hiatrehany ny fetim-pirenena. Ireo fianakaviana vonona amin’ny fambolena sy fiompiana no raisina eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny Iray volan’ny ankizy sy ny faha-65 taona nivere­nan’ny fahaleovantenan’i Ma­dagasikara, ny hetsika notanterahina teny Ambohimiarina. Mahatsiaro ireo ankohonana eny […]

Mpandray fisotroan-dronono: hahazo 50 000 Ar avy amin’ny Cnaps

Ho fanamarihana ny asaramanitra, ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hotolorana vola mitentina 50 000 Ar ny zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono ao amin’ny Cnaps manerana ny Nosy. Nisy solontena nandray ny vola mivantana teny Alarobia, omaly, izay natolotry ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra. […]