Fiaraha-monina

Holafitry ny infirmiera : niala tanatin’ny holafitr’ireo matihanin’ny fahasalamam-bahoaka

Betsaka ny olona manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy noho ny tandrevaky ny tomponandraikitra. Vokany, hiala tsy ho mpikambana ao anatin’ny fiombonan’ny holafitry ny sehatrasa fahasalamana ny infirmiera. Notanterahina teto An­tananarivo ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny Holafitra nasionalin’ny infirmiera sy ny bi­raom-paritra 23. Nanao fa­nambarana ny filohan’ny holafitra, Andrianarison […]

Ho fisorohana ny loza mialoha: nofanina ny mpamantatra ny toetry ny andro

Natao tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana mahakasika ny fanairana sy fampitandremana mialoha ny loza mety hitranga, hisorohana ny fahavoazana mihoa-pampana rehefa misy loza voajanahary, in­drindra ny rivodoza izay mpahazo antsika. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo masoivoho nasionaly sy isam-paritra mikirakira ny famantarana ny toetry ny andro. Hahomby ny sori-dalana omena […]

Asa amin’ny “Web”: hanofana maimaimpoana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika

Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora. Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana […]

EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko

Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy. Mahazo […]

Fanolanana : ho mafy ny sazy miandry

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana. Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany […]