Ho fisorohana mahomby, tena tandrovana toy ny anakandriamaso ny fahadiovana. Voakasik’izany ny vatana manontolon’ny mpikarakara na ny akanjo hanaovana… Eo koa ny kojakoja ampiasaina ao an-dakozia. Andrahoina tsara ny hena, ny atody sy ny trondro. Aza averina avaingana ireo sakafo efa natsonika “décongelé”. Ariana avy hatrany ireo boatin-tsakafo efa manomboka […]
Fiaraha-monina
Fanapoizinana na famosaviana: Vonjy aina no tsy maintsy atao voalohany, mila hafainganina ny fitsaboana
Nampivarahontsana ny trangana famosaviana sy fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tato ho ato. Namoizana ain’olona maro izany ka lasa mampikorontana ny sain’ny mpanara-baovao. Mitondra fanazavana ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary tonga ao amin’ny Sampana vonjy voina tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny dokotera Rakotonindriana Christ Voalohany indrindra dia ny fanavotana ny ain’ny […]
INDRAY MIJERY
Fidirana ao amin’ny LTP. Nanokatra ny fanadinana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny “Petit Amphi” Ampefiloha, ary nitsodrano ireo mpianatra manerana an’i Madagasikara, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Marie Marcelline Rasoloarisoa. Anton’izany ny ho fiantohana ny mangarahara sy ny kalitaon’ny fanadinana. Firaisankina ho an’ny zon’ny ankizy. Nitondra […]
Tetikasa “EAGER” : Hamolavola drafitrasa ho fitovian’ny lahy sy vavy
Namafisina ny traikefan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana sy ny mahalahy sy ny mahavavy ao amin’ny Vondrona afrikanina sy ho an’ireo mpiasan’ny Ivontoerana iraisam-pirenena misahana ny fanabeazana zazavavy sy vehivavy aty Afrika Cieffa. Teny Antaninarenina, nandritra ity herinandro ity, no nanatanterahina izany. Nifantoka tamin’ny fananganana drafitra momba ny fanabeazana mikendry […]
Masoivohon’i Japon : Nijery ny fampiharana ny RRT
Nitsidika ny tanànan’i Fenoaivo, ao amin’ny distrikan’Amboasary, ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Abe Koji, sy ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), Taina Goossens, tamin’ity herinandro ity. Nijery ifotony ny fampiharana ny fivoaran’ny tontolo ambanivohitra (RRT) izy ireo. Nampiasana paikady marolafy hanamafisana ny fahafaha-miatrika ny mponina any Atsimo. […]





