Ho fisorohana ny loza mialoha: nofanina ny mpamantatra ny toetry ny andro

Natao tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana mahakasika ny fanairana sy fampitandremana mialoha ny loza mety hitranga, hisorohana ny fahavoazana mihoa-pampana rehefa misy loza voajanahary, in­drindra ny rivodoza izay mpahazo antsika.
Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo masoivoho nasionaly sy isam-paritra mikirakira ny famantarana ny toetry ny andro. Hahomby ny sori-dalana omena amin’ny fampitana ny fampitandremana rehetra ary ho mora azon’ny olona.
Hahafahana mifehy amin’ny ampahany ny vokatry ny loza ny fahafantarana mialoha ny tandindon-doza miseho. Famin­drana ireo olona hiala amin’ny toerana mampidi-doza. Fana­votana ny fananana sy ny fiompiana. Miaro ny fotodrafitrasa araka izay tratra.
Mihena ny fahapotehana sy ny faharavana indrindra ny famoizan’aina rehefa mahafantatra tsara ny fiarovana amin’ny alalan’ny fampitandremana mia­loha ny mponina.
Nokarakarain’ny Global Center on Adaptation sy ny Tahmo avy any Kenya ny fiofanana. Teo koa ny IRI avy any Etazonia sy ny HKV avy any Pays bas.

Tatiana A

Partager sur: