Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, sy ny minisitra vaovao, Fomendraza Haingo Elisette. Hanohy ny asa tsara efa natomboka ny minisitra. Ezaka kosa ny hanatanterahana ny asa ao anatin’ny 100 andro, araka ny baikon’ny filoham-pirenena, izay hifanindran-dalana amin’ny soatoavina sy ny fampandrosoana lovain-jafy. […]
Fiaraha-monina
Fampianarana ambony : tsy hilefitra amin’ny kolikoly ny minisitra
Vita ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitra vaovao, Razafiharison Andriamanantena, sy i Assoumacou Léa Béatrice, ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Fanambin’ny minisitra vaovao ny hanohizana ny asa amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fijerena ny vahaolana matotra mahakasika ny olan’ny mpianatra. Maromaro rahateo ny […]
Malagasy mpianatra any Rosia: mitaraina fa tsy nahazo vatsim-pianarana
Niombom-peo indray ireo Malagasy mpianatra any Rosia fa mijaly amin’ny tsy fahazoana vatsim-pianarana 2 taona nisesy izao. Lany vatsy ary tapitra Visa ny sasany. Mila vonjy amin’ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny vatsim-pianarana hatramin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 ireo mpianatra mandranto fianarana any Rosia. Zon’izy ireo feno ny misitraka ny […]
Mialy Razafintsalama : nahazo tohana avy amin’ny Filatex
Mampiantrano ny fampirantiana “Ilay tany vaovao” sy “Sedran’ny Tany” ny ivontoeran’ny kanto Hakanto Contemporary, Ankadimbahoaka, ny 6 janoary ka hatramin’ny 20 avrily. “Sedran’ny tany” sanganasa navoakan’i Mialy Razafintsalama niaraka tamin’ny fanohanan’ny Filatex énergie, sampana iray ao anatin’ny Vondrona Filatex. Fampirantiana mifantoka amin’ny lohahevitra ny “Tanindrazana, tany mitsinjo ny tontolo iainana”. […]
Fiovana anarana – MFA : «Fametrahana lanja ny fiaraha-mientana», hoy ny Jly Sahivelo
Tafika maoderina, tafika manana ny maha izy azy, reharehan’ny vahoaka ao aminy sady afaka manampy ny vahoaka amin’ireo ambana rehetra mety hitranga, hoy ny MFA, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin Tontosa teny Ampahibe, omaly, ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, sy ny […]