Nanolotra fitaovam-pianarana sy entina midio ho an’ireo ankizy tsy ampy taona ao amin’ny fonjaben’Antanimora sy Anjanamasina ny solontena avy amin’ny “Humanité et inclusion” amin’ny alalan’ny tetikasa Mafonja. Nahitana kahie, stylos, taratasy, pensilihazo, sns… kifafa, eau de Javel, vovon-tsavony, sns.. Ao anatin’ny C4C na fanabeazana amin’ny fiovam-pihetsika dia misy ireo lalao […]
Fiaraha-monina
Zokiolona: Mivoaka ny tetiandro fizarana fisotroan-dronono
Mivoaka ny tetiandro fakana ny fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eto Analamanga, amin’ity volana avrily ity, eny amin’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny anivon’ireo Perceptions principales (PP), Trésorerie principale (TP), Trésorerie principale inter-communale (TPIC), efa voarindra ireo laharana maka izany. Anjaran’ny laharana miafara amin’ny 0 – 1 – 2 no maka ny […]
MFFT sy ny Pam: Miroso ireo tetikasa
Nandray ny solontena mpanatanteraky ny Fandaharanasa maneran-tany momba ny sakafo (Pam), Tania Goossens, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. Notanterahina tetsy Anosy ny fihaonana ka nivoitra tamin’izany ny fandinihana ny fandrosoan’ireo tetikasa iombonana. Anisan’izany ny eo amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny eny anivon’ny vondrom-bahoaka […]
“Youth Connekt Summit Africa”: Horaisin’ i Madagasikara ny hetsika
Natao teny Alarobia, omaly, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny mpitarika ny delegasionina avy any Kigali Rwanda, izay manaporofo fa horaisin’i Madagasikara ny hetsika “Youth Connekt Summit Africa”. Raikitra ity! Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah, omaly, tetsy Alarobia, […]
Volavolan-dalàna momba ny “ITG”: Tsy mbola tafiditra amin’ny lahadinika eny amin’ny Antenimiera
“Momba ilay volavolan-dalàna fampitsaharana ny vohoka noho ny antony ara-pahasalamana (ITG) natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena, ny taona 2021, hodinihina sy holanian’ny solombavambahoaka ho lasa lalàna manan-kery eto amintsika, tsy mbola tafiditra ao anatin’ny lahadinika naroso hatramin’ izao aloha”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny ekipa mpanatanteraka ny hetsika, Andriamiara […]