Hotanterahina rahampitso ny “Fanadiovana faobe”. Hetsika atao manerana ny faritra 24, hanentanana ny isaky ny fokontany handray andraikitra sy hanadio ny manodidina azy. « Tanjona ny hiantohana ny fahasalamana sy ny fampandrosoana maharitra ho an’ny firenena. Hamerina ihany koa ny fitiavana ny fahadiovana ka tsy handoto ary tsy hanary fako etsy […]
Fiaraha-monina
Freedom 250 : Tsy mpanompon’ny mpitondra ny vahoaka…
“…Tsy sitrahana avy amin’ny asa ny fitovian-jo, ary tsy atolotra ny zo. Efa sitrahin’ny olona tsirairay amin’ny maha olombelona fotsiny izany”. 250 taona ny fahaleovantenan’i Etazonia. Nankalaza ny faha-250 taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia “Freedom 250”, sy ny faha-160 taonan’ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’i Madagasikara ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara, omaly, tetsy Ankorondrano. […]
INDRAY MIJERY
Ao anatin’ny fiahiana sy fampivoarana sahanin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, nanantanteraka fidinana ifotony, niaraka tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohotra, ny ekipan’ny minisitera, ny alin’ ny talata lasa teo. Nisy ny fanentanana natao tamin’ireo olona tsy manan-kialofana sy matory eny amin’ny sisin-dalana teny amin’ny faritr’i Behoririka, Tsaralalàna, Ambohidahy ary Analakely. Nentanina […]
Sehatry ny fandraharahana : Hamoaka ny andiany Sahy ny Iscam
Hotontasaina ny 02 jolay 2026, eny amin’ny CCI, Ivato, ny fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra nanaraka fiofanana teo anivon’ny Iscam Business School. Andiany faha-35, ampitondraina ny anarana hoe: “Sahy” izy ireo, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankadifotsy, omaly. Maneho tanjaka sy fahasahiana, herim-po ary fahavononana ny teny hoe Sahy […]
CEPE : 12 400 ny isan’ny tsy tonga niadina
Mahatratra 12 400 ny isan’ny mpiadina tsy tonga niatrika ny fanadinana CEPE ny talata lasa teo, manerana ny Nosy. Latsaka kokoa raha oharina ny tamin’ny taona 2025 izay nihoatra ny 14 000, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana rehetra taorian’ny fivoriana hitondrana ny […]




