Fiaraha-monina

Fampianarana teny anglisy : Manokatra lalana sy mampifandray ny sehatra iraisam-pirenena

Rohy mampifandray ny fifanakalozana amina firenena maro ny fahaizana teny anglisy. Manokatra varavarana amin’ny sehatry ny asa koa ny fifehezana izany teny izany. Notanterahina teny amin’ ny ENS Ampefiloha ny fihaonambe momba ny fampianarana teny anglisy, omaly. Nahitana mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy mpampianatra teny anglisy eny amin’ny lycée avy […]

Tetikasa Haratonaina : Fianakaviana maro afaka tanaty faharefoana

Mitohy anio ny fampirantiana mahakasika ny tetikasa “Haratonaina”, etsy amin’ny Gymnase Ankorondrano. Efa nanomboka ny taona 2014 no natao teto Madagasikara ity tetikasa ity, izay famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ary tanterahin’ny Fid. Mitondra sy mampahafantatra ny vokatry ny Hara­tonaina ireo mpisitraka manerana ny Nosy. Misy ireo efa nifarana tanteraka ny fandaharanasa […]

Mpamonjy Voina: Nisitraka fitaovana fiarovana

Nisitraka fitaovana fiarovana mandritra ny fanatanterahana ny asa (Epi) ireo mpamonjy voina miisa 362. Hanampy azy ireo hanatanteraka ny asany amim-pahombiazana sy amim-pilaminana kokoa ny fampiasana ireo fanomezana ireo. Anisan’izany ny fanomezana avy amin’ny vondrona mpamonjy voina kanadianina. Teo ihany koa ny orinasa Vitafoam izay nanolotra kidoro miisa 70 ho […]

INDRAY MIJERY

Manentana ny vahoaka malagasy rehetra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hampitombo ny fitandremana amin’ny fanomanana sy fihinanana ny sakafo mandritra ny Asaramanitra. Tena ilaina ny fanamafisana hatrany ireo fepetra ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana. Raha misy soritraretina toy ny fivalanana, fandoavana, fahalemena, fahasarotana miaina na soritraretina tsy mahazatra aorian’ny fihinanana sakafo dia manatona […]