Nihaona, ny herinandro lasa teo, ireo filohan’ny mpianatra sy mpitarika ao amin’ny oniversiten’i Toamasina niaraka tamin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Pr Razanakolona Diny. Teo koa ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Dr Ramahefasoa Barbin ary ny talen’ny Assurance Qualité, Dr Rakotoniaina Bearisoa, araka ny fampitam-baovaon’ny oniversite […]
Fiaraha-monina
Valanaretina Mpox : Distrika 12 nanaovan’ny Croix Rouge Malagasy fandinihana
Distrika 70 no nahitana trangana Mpox, ary ny 40 amin’ireo mbola manana marary amin’izao fotoana izao. 3 115 ny tranga voamarina nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 27 jolay lasa teo. Nanatanteraka hetsika mifandraika amin’ny valanaretina ny Croix Rouge Malagasy. Nandritra ny enim-bolana, nanomboka ny volana janoary, nanatanteraka hetsika ny […]
Ady amin’ny VIH sy ny SDSR: Mandray anjara ny depiote
Efa mijoro ny tambajotra parlemantera ho an’ny rariny ara-pananahana eny amin’ny Antenimierampirenena. Andraikitry ny depiote, rahateo, ny manao lalàna sy manatsara ny lalàna efa misy, ka andrasana aorian’ny atrikasa ny fanavaozana ny lalàna momba ny VIH/ Sida, araka ny nambaran’ny filohan’ny tambajotra, Dr Rajaobelina Lova. Ankoatra izay, manao adisisika amin’ny […]
Tsy tomombana ny laza adina: Homena “bonus” ny mpiadina tamin’ny bakalorea
Mitohy ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, hatramin’ny omaly. Nandritra ny fivoriana iraisan’ny mpitsara rehetra, izay mpampianatra ny ankamaroany, nisongadina fa nisy tsy fahatomombanana betsaka ny laza adina natrehin’ny mpiadina. “Nahitana izany avokoa ny taranja rehetra na literera na siantifika”, hoy ny mpampianatra, mpitsara. Efa miverina isan-taona […]
Andron’ny fakiolten’ny EGS fahenina : Hisongadina ny « Espace entreprenariat »
Hotanterahina eny Ankatso, mandritra ny hateloana, manomboka ny 30 jolay ho avy izao, ny Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia (EGS), miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka JFP 2026. Tanjona ny hizarana vaovao sy tranga fitrandraka (fanararaotra) ho an’ny mpianatra ao amin’io sampam-piofanana io maniry hahafantatra ny asa samihafa misy eny […]




