Fiaraha-monina

Tamberina taona 2023 – Fampianarana : naverina ny taranja Tantara sy Jeografia ho an’ny bakalorea

Nisedra olana lehibe ny fanadinam-panjakana bakalorea tamin’ity taona ity satria nivoaka mialoha ny laza adina ho an’ny taranja Tantara sy Jeografia. Nahitana tsy fahatomombanana koa ny sampana teknika. Nanamarika ity taona 2023 ity teo amin’ny fampianarana ny savorovoro nandritra ny zotram-panadinana bakalorea noho ny laza adina nivoaka mialohan’ny fotoana ho […]

Fiahiana sosialy 2024-2030 : hiompana amin’ny maha olona ny paikady nasionaly

Tapitra amin’ity taona ity ny dingana voalohany tamin’ny paikady nasionalin’ny fiahiana sosialy notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina izay naharitra 5 taona. Nanao tombana ny pai­­kady niaraka tamin’ireo minisitera mpiantsehatra sy ny mpiara-miombon’antoka ny ekipa tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivoma­na­na Ghisbert. Hisy atrikasa hampahafantarana ny […]

Fitantanana loza : nohazavaina ny lalàna amin’ny fampiasana  drones 

Nanazava ny lalàna sy ny rijan-teny rehetra tokony ho fantatra mahakasika ny fampiasana drones, ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC sy ny PAM, nandritra ny herinandro, tany Taolagnaro. Tao koa ny tomponandraikitra avy eo amin’ny fitaleavana jeneralin’ny fifamoivoizana ana habakabaka sivily eto Madagasikara. Izy ireo no […]

Fikambanan’ny mpianatr’Ankatso: niarahaba ny filoham-pirenena, miantso fifanomezan-tanana

Maro ny zava-bita eny anivon’ny Anjerimanontolo. Nilaza ireo mpianatra fa tsy mahasahana ny mpianatra rehetra izany, koa miantso ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Niarahaba ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tafapetraka soa aman-tsara indray eo amin’ny fitondrana ireo fikambanan’ny mpianatr’Ankatso, omaly, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo. Miantso fifanomezan-tanana mba ho bebe kokoa […]