Tonga tao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, omaly. Ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana, nisy ny vatsy natolotra azy ireo nandritra ny hetsika. Nitondra fanampiana Vatsy tsinjo ho an’ny tokantrano miisa 4 500, ahitana vary […]
Fiaraha-monina
Fandriampahalemana: nanao bemidina ny polisy
Nirotsaka an-tsehatra nanara-maso ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena mba hahafahana mitondra fanatsarana sy fanamafisana ny ezaka efa vita. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Rakotozanany Dany Marius, tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony tamin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana, ny 12 mey […]
Fanamafisana fiaraha-miasa: hanome fiofanana ny Tafika Malagasy ny firenena egyptianina
Nanatanteraka fitsidihana tany Egypta, ny 10 ka hatramin’ny 13 mey 2025 lasa teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Monja Delphin. Nandray azy tamin’ny fomba manetriketrika tao Le Caire, ny minisitry ny Fiarovana egyptianina, ny Jly Zaki Mohamed. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy […]
Fanaovana sary amin’ny rindrina: niainga tamin’ny fanarahana alok’olona iray
Asa maro mpanao ny fiangaliana sary amin’ny rindrina, eto Madagasikara. Asa tanana mahaliana ny maro izy io satria mahasarika ny mason’ ny mpijery. Anisan’ny asa tanana maro mpanao ny sary amin’ny rindrina na ny « graphiti » amin’ny fiteny frantsay, eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, mitovy amin’ny fanaovana sary hosodoko amin’ny taratasy […]
Fiainam-pikambanana: isehoana disadisa ny Fitefato
Isehoana olana ny fikambanan’ny zanaka Toliara monina sy mipetraka eto Toamasina, (Fitefato) taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitantanan’ny filoha teo aloha. Tokony hifandimbiasan’ireo disitrika sy faritra efatra mandrafitra ny faritanin’ i Toliara, isaky ny roa taona ny fitantanana, araka ny fitsipika anatiny. Nisehoana fifanenjanana sy fifanaratsiana teny an-tambajotran-tserasera anefa ny filoha vaovao, avy […]





