Nandray ny solontena avy amin’ireo oniversité efatra any Chine: Shanghai Normal University, Xiangtan University, Université des Beau Arts de Chine ary Beijing University, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison. Teny Ankatso tamin’ity herinandro ity no nanatanterahina izany. Fivoriana mahakasika ny fiaraha-miasa akademika sy siantifika no tanjona ka hanamafy ny fifandraisana efa […]
Fiaraha-monina
Famongorana ny tazo aty Afrika: entanina hamatsy vola ny sehatra tsy miankina
Nampahafantarina tany Abidjan (Côte d’Ivoire), ny 12 hatramin’ny 13 mey lasa teo, ny fametrahana hetsika iray hampitomboana ny vola ampiasaina hamongorana ny aretina tazo aty Afrika. « Les voix essentielles » no anarana nomena ny hetsika hitadiavana vola hatramin’ny 4 tapitrisa dolara hatramin’ny taona 2030. Hiadiana amin’ny aretina tazo andraisan’ny vehivavy sy […]
Foibem-paritry ny Fampianarana ampitain-davitra: mpianatra 10 nanao fanohanan-kevitra tao Farafangana
Zava-dehibe ny fanatonana ny faritra satria manamaivana ny fandaniana ho an’ireo mpianatra sady maneho ohatra tsara sy fanentanana ho an’ireo efa miasa ka vonona hanohy fianarana na monina lavitry ny Renivohitra sy ny Renivohi-paritany aza. Fanohanan-kevitra (soutenance) miisa 10 hahazoana ny mari-pahaizana Master voalohany natao tao Farafangana, renivohitry ny faritra […]
Fiompiana biby: ilaina fahaizana ny mitaiza biby tongotr’efatra sy tongo-droa
Maro ny olona mivelona amin’ny biby tongo-droa sy tongotr’efatra. Raha ho an’ny Malagasy manokana, ny akoho sy ny alika no tena be mpiompy. Ao ireo mivarotra akoho fa ao koa ny mivarotra alika “chien de race”. Ilaina fahaizana nefa ny mikolokolo azy ireny. Efa betsaka ny Malagasy miompy biby. Nisy […]
Boulevard Ratsimilaho, “Mila hanaovana fomban-drazana”, hoy i Sabotsy Albert
Raha hatambatra hatramin’ny taon-dasa, efa nihoatra ny folo ny trangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny Boulevard Ratsimilaho iny hatramin’ny fahavitan’ny fanarenana azy. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizna tsy nahy, efa nitrangana famonoan-tena ihany koa io lalana vaovao io. Tovovavy iray, ohatra, no sahy nitsoraka tao ambany fiara sendra mandalo. Amin’ny ankapobeny, malalaka ny lalana ary […]





