Tombanana hitoetra hatrany ny alondrano avy any atsimo andrefana, ato anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana, araka izany, ny toetry ny andro any an-dranomasina, ho an’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny, ka tombanana […]
Fiaraha-monina
Fitantanana ny loza anaty hamehana: niofana ny mpiasan’ny BNGRC miisa 35
35 mianadahy niofana momba ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza rehefa misy hamehana. Dimy amin’ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny BNG RC nifototra tamin’ny fiofanana ho mpanofana (formation des formateurs), ny 30 kosa mpiasa tsotra, Traikefa mila ananana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa atrehin’ny Birao nasionaly misahana ny […]
Tarika Fangia Kalo Gasy: haneho an-kira ny kanto malagasy
Raikitra! Ny sabotsy 17 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, etsy amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina, ny fampisehoana hiarahana amin’ny tarika Fangia Kalo Gasy. Haneho an-kira ny kanto malagasy izy ireo. Hitety vanim-potoana amin’ireo sanganasan’ny tarika manokana. Faharoa, hihira ireo kalon’ny fahiny na kalon’Imerina manana ny maha izy […]
Fiarovana ny tontolo iainana: atomboka any an-dakilasy ny fanabeazana
Haharitra roa andro, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampahafantarana ireo sehatra sy fikambanana manabe ankizy sy tanora, na olon-dehibe, momba ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Ilaina ny mandrindra ny asa rehetra hampaharitra ny ezaka vita. «Atomboka amin’ny zaza sy ny ankizy ny fanabeazana momba ny […]
ENSP Ivato: Mankalaza ny faha-55 taona nijoroany
Notanterahina teny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny sekoly. Efa namolavola sy namoaka andiany miisa 25 ho an’ny commissaire de police, ary andiany 26 ho an’ny officier de police ity sekoly ity. Nisongadina tamin’ny fotoana omaly, […]





