Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Nanome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina noho ny tondradrano nateraky ny rivodoza Honde ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Beloha, ao amin’ny toeram-pandraisana EPP Zambe. Toy izany koa ny traboina ao amin’ny kaominina Androka sy Itampolo, izay samy nahazo fitsaboana maimaimpoana manandrify azy avy. Tontosa ny fanamafisam-pahalalana momba ny […]

Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy : Hampirantiana ny zava-bitan’ny fikambanana

Hanomboka anio ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy izay efa nosantarina tamin’ny diabe ho an’ny fahasalamana andiany faha-32 « Saro­bidy ny aiko » teny Am­bohidratrimo ary namakivaky ny lalam-pirenena fahefatra. Nanome tolotra fahasalamana maimaimpoana miaraka amin’ny fanafody sy ny fitarafana samihafa ny mpiasan’ny fahasalamana. Mbola hitohy ao amin’ny Centre […]

Filohan’ny oniversite Antananarivo : Tokony hanara-dalàna avokoa ny kandidà

Araka ny lalàna manan-kery dia tsy tokony hanao asa hafa ivelan’ny asany ireo mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ireo mpampianatra amin’ny oniversite. Tsy tokony hanana oniversite tsy miankina ihany koa, araka izany, ny mpampianatra amin’ny oniversite. Misy anefa mandika ireo lalàna ireo. Mijoro manohitra izany ary te hampihatra lalàna ny vaomiera manokana mikarakara […]

Vohipeno : Nahasarika ny tanora ny fiofanana miompy akoho

Nanohy ny fidinana ifotony tao amin’ny distrikan’i Vohi­peno ny minisitry ny Fampia­narana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, rehefa avy any Manakara, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisongadina tamin’ity fitsidihana ity ny fanokafana ofisialy ny “marathon des formations”, hetsika natao hampiroboroboana ny fanofanana arakasa. Notsin­drin’ny minisitra fa ilaina ny […]