Fiaraha-monina

Tsimbazaza : Miroso ny fanarenana ny valan-javaboahary

Nanatanteraka fanadiovana faobe tao amin’ny valan-javaboahary tsimbazaza ny ekipan’ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanarenana ity valan-javaboahary ity ny hetsika izay efa nanaovana ezaka manokana mihitsy taorian’ireny fahaverezana sokatra sy baranahiny teo aloha ireny. Efa mitsangana ny vaomiera iraisan’ireo minisitera […]

Faritra Alaotra Mangoro : Nofanina ireo mpandraharaha

Herinandro ny fampiofanana nomena ireo mpandraharaha ara-pambolena sy fiompiana natao tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana tao amin’ny fikambanana Edugascar sy ny teknisianina. Nijery ny zava-misy sy ny fomba fanao entina hamokarana vary sy hiompiana […]

Faritra Matsiatra Ambony: Misokatra ny fanamarihana ny iray volan’ny fiahiana sosialy

Hetsika maro manerana ny Nosy no hanamarihana ny volan’ny fiahiana sosialy amin’ity volana mey ity. Voizina ny firesahana ny rejistra sosialy tokana izay mari-drefy ampiasaina manomboka izao. Notanteraina tao Fiana­rantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny fiahiana sosialy, izay notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. “Firaisan­kina […]

INDRAY MIJERY

Tonga eto amintsika ny delegasionina avy amin’ny Oniversite Euromed de Fès (UEMF) avy any Maroc, tarihin’ny professeur Othmane Benmoussa, filoha lefitra misahana ny fikarohana sy ny haivao. Ankoatra ny dinika niarahana tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ny fanomezana vatsim-pianarana, hitsidika laboratoara sy ny ivontoeram-pikarohana ary […]

Ben’ny Tanàna 15: Niara-nitady vahaolana hampandrosoana ny tanàn-dehibe

Nanatanteraka fivoriana niaraka tetsy amin’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivohitra Analakely ireo ben’ny Tanàna mivondrona ao anatin’ny Asso­ciation des grandes-ville de Madagascar (AGVM), omaly. Maro ny zavatra miandry sy ny olana sedrain’ireo ben’ny Ta­nàna ka mahatonga ny fivondronana. “Anisan’ny ezaka atao ny mitady vahaolana amin’ny lafin-javatra maro mba hampandrosoana ny tanàna izay […]