Anjaran’ny faritra Vakinankaratra indray izao no misitraka ny fiofanana mahakasika ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa voarakitry ny lalàna lah 2024-014. Paikady entin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana ny manatanteraka ny fampahafantarana izay voarakitra ao anatin’izany. Vaindohan-draharahan’ny fitondrana fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra mampiasa ity lalàna vaovao ity. Solontenan’ny […]
Fiaraha-monina
Fanabeazana : Nanome 8,75 tapitrisa dolara ny japoney
Manome 1,45 tapitrisa dolara hanohanana ny sehatry ny fanabeazana ny firenena japoney. Mampiasa vola 8,75 tapitrisa dolara fanampiny avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo. Hanampy amin’ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fampianarana manara-penitra sy mampiaty ireo famatsiam-bola ireo. Natao hanamafisana ny fanofanana mpampianatra, hanohanana ny fianaran’ny ankizy […]
Sehatra fifanakalozan-kevitra : “Mila mahafehy ny teknolojia sy ny teny anglisy ny tanora”
Omena sehatra hizara ny hetahetany ny tanora momba ireo lohahevitra mahakasika azy mivantana ka hipaka any amin’ny tomponandraikitra mahefa. Olana goavana eto amintsika ny tsy fisian’ny asa mifandraika amin’ny fianarana norantovin’ny tanora. Notontosaina teny amin’ ny Oniversiten’Antananarivo, omaly, ny famelabelarana arahina adihevitra “Ndao hiresaka fampandrosoana”, voalohany, niarahana tamin’ny mpianatry ny […]
CenHoSoa – HIS Foundation: Maimaimpoana ny fandidiana ireo ankizy manana fahasembanana
Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa. Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fahasembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy […]
Tontolo iainana ambonivohitra : Nitokana fotodrafitrasa lehibe ny minisitera
Nitokana fotodrafitrasa lehibe tany Antsarimasina, kaominina ambanivohir’i Fanandrana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, ny alatsinainy lasa teo. Natao hanodinana fako ho lasa akora hafa azo ampiasaina indray izy io. Hahafahana mandray karazam-pako rehetra hamadihana ireo fako azon’ny olona hampiasaina. Anisan’ izany ny hanaovana […]





