Ho famahana ny olan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Toliara manokana, efa niverina tanteraka ny jiro ary ho tonga amin’ny faran’ny herinandro izao ny “transformateur” vaovao ho fanampiana ny tanjaky ny jiro ao an-toerana. Mikasika ny vatsim-pianarana, hivoaka tsy ho ela ny tetiandro aorian’ny fankatoavana ataon’ny Paositra malagasy, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana […]
Fiaraha-monina
Teleferika : Saro-pady ny asa fanenjanana tariby
Nampahafantatra ny ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana fa miditra amin’ny fanenjanana ny tariby roa sy ny fanambarana izany eo amin’ny ampahany faharoa, mampitohy an’i Soarano sy Ivandry ny ekipa amin’izao fotoana. Asa tena saro-pady ary avo lenta no hatao ka mila teknisianina mahafehy tanteraka izany. […]
Brigitte Macron sy Rajoelina Mialy : Nitsidika ny ivontoerana fandraisana ireo niharan’ny herisetra
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny vadiny teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Taorian’izay, nihazo avy hatrany ny Centre de prise en charge intégré des victimes de violences basées sur le Genre Mahamasina ny vadin’ny filoha frantsay, Brigitte Macron sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. […]
Nitondra zaza nandositra : Lehilahy voasambotry ny fokonolona
Tra-tehaky ny fokonolona ny lehilahy nikasa hangala-jaza tao Ampahamoalambo, kaominina Ambatondrazaka, ny sabotsy 19 avrily teo. Tsy nisy nahatsikaritra ny nahazoan’io mpangala-jaza io ilay zaza vao 7 taona tao amin’ny fokontany Ambodimanga. Nentiny tamin’ny bisikileta io zaza io. Nihiakiaka ilay zaza rehefa nivoaka ho 5 km ivelan’ny tanàna izy sy […]
Mahajanga – « Tulipe 2025 »: Raikitra ny sarinady iraisam-pirenena
Notontosaina ny alahady 20 avrily 2025, tao amin’ny “Poste de commandement Interallié Tulipe” (PCIAT), ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny sarinady iraisam-pirenena hatao any Mahajanga. Mandray anjara amin’izany ireo tafika eo anivon’ny Firenena mivondrona ao amin’ny Kaomisionina ranomasimbe Indianina. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety ny Jly […]