Ho fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, notarihin’ny minisitra Rajaonarison Sendra Nirina sy ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gaby Nestor, omaly, teny Anosy. Tanjona ny hanamafisana ny ezaka iombonana amin’ny fampiroboroboana ny mangarahara, ny fahitsiana […]
Fiaraha-monina
Fandikan-dalàna amin’ny bakalorea : Nandraisana fepetra ireo vondrona milaza ho manana laza adina
Nilamina amin’ny ankapobeny ny fanombohan’ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Maro ny mpiadina tsy tonga tao Alaotra Mangoro sy Atsinanana. Tsy nisy olana goavana, amin’ny ankapobeny, ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Nisy anefa ny tranga vitsivitsy nahitana fandikan-dalàna. Efa noraisina avy hatrany ny fepetra mifanaraka amin’ny fitsipika, araka ny […]
INDRAY MIJERY
Tsy mifanalavitra amin’ny zavatra natao tany am-pianarana sy nandritra ny famerenana ny laza adina niandry tamin’ny filozofia, ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinana bakalorea, omaly maraina. Mathématique sy malagasy no atrehin’ny mpiadina anio tontolo andro. Manatitra sy maka ny mpiadina ny ray aman-dreny, isan’andro, noho ny zava-misy miseho amin’izao fotoana izao. […]
Fandriampahalemana an-dranomasina : Voavolavola ny tondrozotra iorenan’ny paikady
Naharitra telo andro ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana ary atrikasa nasionaly momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina eto Madagasikara. Hetsika natao tao amin’ny Foibe fanangonana sy fampivondronana ny vaovao an-dranomasina (CFIM) Ankaditoho, ny herinandro lasa teo. Natokana ho fampahafantarana ny vokatry ny asa nataon’ireo vondrona ny andro fahatelo […]
Tanora ao Manakara : Niofana hisehatra amin’ny asa maha olona
Notanterahina tao Manakara, nandritra ny efatra andro, ny fanofanana tanora hisehatra amin’ny asa maha olona. Hetsika mialoha ny loza sy fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina no natao. Fanofanana niarahan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary ny Fisa Madagascar. […]




