Fiaraha-monina

Ady amin’ny Mpox : Nentanina ny lehiben’ny fokontany sy ny mpitsabo nentim-paharazana

Notanterahina nandritra ny roa andro ny atrikasa fanentanana sy fampahafantarana momba ny Mpox ho an’ireo lehiben’ny fokontany sy ireo mpitsabo nentim-paharazana avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Tanjona tamin’izany ny ha­namafisana ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ ny fisorohana sy ny ady amin’ ny fiparitahan’ny valanaretina. […]

Mpox aty Afrika : Natomboka eto Madagasikara ny «essai clinique»

Tanterahina eto Mada­ga­sikara, amin’izao fotoana izao, ny «essai clinique Mpox Study in Africa (Mosa) » izay fitsapana ara-pitsaboana panafrikana voalohany mampiasa fomba fikarohana azo ampifanarahana ho an’ny fitsaboana ny Mpox. Efa natao ny 23 sy 24 avrily teo, niaraka tamin’ny ekipan’ny CHU Andohatapenaka Antananarivo, ny fanomanana sy fametrahana ny toerana hanaovana ny fikarohana. […]

Fiarovana ny ankizy: Nampitaovana ny laharana maitso 147 ny Unicef

Nanao sonia fiaraha-miasa ny solontenan’ny Unicef, i Christine Jaulmes sy ny Filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno, tamin’ity herinandro ity. Miompana amin’ny fampitaovana ny foibe fandraisana antso maimaimpoana amin’ny laharana maitso 147 sy ny drafitrasa iraisana ho fanamafisana ny rafitra fiarovana ny ankizy ny fifanarahana izany. Sady ho […]

Filaminana an-dranomasina : Hamoaka paikady handrindrana asa ny mpisehatra

Nosantarina omaly, teny amin’ny foiben’ny Centre de fusion d’informations maritimes (CFIM) Ankaditoho-Soaniera, ny atrikasa momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina. Tafiditra amin’ny fandaharanasa Safe Seas Africa izany. “Hatramin’izay, nohamaivanina ny fiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Tsy manana na sambo iray mpiady aza isika”, hoy ny Prai­minisitra Rajaonarison Mami­tiana […]

INDRAY MIJERY

Vehivavy miisa 30 niharan’ny herisetra nandrato fiofanana momba ny zaitra tetsy amin’ny CFP Tsimbazaza. Notolorana fampitaovana izy ireo hampahaleo tena hiatrehany ny fiainany. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ny fanohanana sy fampizakan-tena ireo vehivavy. Miditra amin’ny volana fahefatra, taorian’ny nandoavana ny vatsim-pianarana volana marsa, avrily ary […]