Mpiadina 233 538 no miatrika ny fanadinana bakalorea, izay ahitana fitomboana 5,04 % raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Tao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo sy ny Lycée teknika Mahamasina no nanatanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny fanokafana ny fonosana misy ny laza adina filozofia, ny tapany maraina. Hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Tsy ho marin-toerana indraindray ny habaka any amin’ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy ny fiandohan’ny herinandro. Ny varatrazamalefaka no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Hahazo vahana ny varatraza ny alakamisy sy ny zoma izao. Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsinanan’ny Nosy kosa no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny faran’ny […]
FVKFM : Kitapon-dra 300 mahery natolotra ny DTS, HJRA
Navitrika tamin’ny hetsika fanomezan-dra maimaimpoana ny kristianina ao amin’ny fiangonana FVKFM, ny sabotsy teo. Kitapon-dra maherin’ny 300 no voaangona nandritra ny hetsika fanentanana. Niarahana tamin’ny sampan-draharaha misahana ny famindrana ra (DTS) etsy amin’ny HJRA izany. Ankoatra ny ara-panahy izay fitaizan’ny fiangonana ny mpino, mandray anjara amin’ny fanampiana ny mpiara-belona sy […]
Bakalorea 2026: Mpiadina 24 183 no an’ny faritra Atsinanana
Anio amin’ny 7 ora maraina no hifamotoana etsy amin’ny Lisea Jacque Rabemananjara ny manampahefana ao Toamasina hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny laza adina ho an’ny fanandinam-panjakana Bakalorea taona 2026. Fantatra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ireo tomponandraikitra maro samihafa mitantana ny fanadinana bakalorea fa miisa 24 183 ny […]
Bakalorea 2026 : Hampiasaina ny Bus Foton hitaterana ireo mpiadina
Hosantarina anio ny fanadinana Bakalorea manerana ny Nosy. Ny taranja filozofia no hatrehan’ny mpiadina ho an’ny tapany maraina. Haharitra hatramin’ny zoma ny fanadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika andiany voalohany. Ho fanamorana ny fivezivezen’ireo mpiadina bakalorea sy ho fanohanana ny fitandroana ny filaminam-bahoaka manoloana ireo tranga mampanahy […]




