Fiaraha-monina

Cnarp : namokatra fanafody am-polony avy amin’ny zavamaniry

Efa niorina ny taona 1976 ny ivontoerana fikarohana (Cnarp), mamboly sy mikarakara zavamaniry fanao fanafody. Maro ny voka-pikarohana vita hatramin’izay fa nisongadina nandritra ny ady tamin’ny fiparitahan’ny Covid-19 ny «solution hydroalcoolique» fanadiovana tanana; ny «niaoulee» ody sery, menaka fanosotra anaty orona ary ny “hevokina”, ody kohoka sy sery atao evoka, […]

AFF-Kaominina Ivato : ankizy 140 nisitraka kopia faobe

Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fikambanana Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF) izay tarihin’ny filohany, Ravatomanga Haingo, no nahafahan’ireo ankizy 140 nisitraka kopia maimaimpoana omaly, teny Ivato. Niarahana tamin’ny fitsarana mahefa sy ny lehiben’ny dokotera ao an-toerana ny fanatontosana ny tetikasa “Kopia faobe”. Porofon’ny maha olom-pirenena ny fananana kopia ka […]

Dren Vakinankaratra : nisokatra ny taom-pianarana 2023-2024

Natao tany Antsirabe I, faritra Vakinankaratra ny fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024. Ankoatra ny lanonam-panokafana, nisy ny tantsoroka nentin’ny minisitera ho an’ny sehatry ny fanabeazana Nosokafana, omaly, tany Antsirabe, faritra Vakin­ankaratra ny taom-pianarana 2023-2024. Ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle no nitarika izany tany an-toerana. Maro ny ezaka ataon’ny minisitera […]

Ampefiloha Ambodirano : nanome fanampiana ho an’ireo traboina ny minisitry ny Mponina

Niombom-po tamin’ireo traboina an-jatony, vokatry ny haintrano niseho afakomaly, etsy Ampefiloha Ambodirano, ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, izay iraky ny fitondram-panjakana rahateo. Nitondra izay voatsirambin’ny tanana, toy ny akanjo fitafy sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia izy, hiatrehan’ireo traboina ny andavanandrom-piainany vonjimaika. Na­namafy ny minisitry ny Mponina fa mila mitandrina […]

Ankazoabo Atsimo : Paikady roa hiadiana amin’ny tazomoka

Paikady roa sosona avy hatrany no hampiharina any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo hamongorana ny aretina tazomoka. Anisan’izany ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano tsy ankanavaka. Eo koa ny fizarana fanafody miaro amin’ny tazomoka avy hatrany. Hetsika mahazatra kosa ny fanentanana ny mponina hatory anaty lay misy odimoka na atoandro na alina, […]