Fiaraha-monina

Krisimasy sanjila : loka isan’andro ataon’ny MVola

Manokatra lalao Tombolà amin’izao fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona izao ny MVola, nomeny ny anarana hoe «Krisimasy sanjila». Lalao ahazoana loka isan’andro sy isan-kerinandro ary hisy loka goavana amin’ny 22 desambra 2022. Miisa 131 ny olona hizarana loka amin’izany. Tsotra ny fandraisana anjara. Mahazo ny CBM2 Vola, ampiasana ny karatra […]

Jean de Dieu Rakotondramihamina : sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly

Iray tamin’ireo olona valo nankasitrahana ho sangany maneran-tany amin’ny ady amin’ny kolikoly, nandritra ny lanonana nokarakarain’ny Departemantam-panjakana amerikana tany Washington, D.C, ny solontena malagasy, Jean de Dieu Rakotondramihamina, ny zoma teo. Notoloran’ny Sekre­teram-panjakana amerikana, Antony Blinken, mari-pankasitrahana amin’ny maha sangany amin’ny ady amin’ny kolikoly iraisam-pirenena azy, i Jean de Dieu […]

Japon sy ny JOCV : “Aoka tsy hiandry fanampiana lava”

Nanome lesona eo amin’ny fomba fiasa sy fitantanana… Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teto An­tananarivo, ny lanonana roa sosona nankalazana ny faha-20 taonan’ny Fandahara­nasa fandefasana mpilatsaka an-tsitrapo Japoney (JOCV) eto amintsika ary nanamarihana ny andron’ny kolontsaina ja­poney. Nikara­kara izany ny masoivoho japoney misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (Jica). Nisolo […]

Ankatoky ny fety: mifanitsa-kitro ny olona eo Behoririka sy Analakely

Tonga miakatra eto an-dRenivohitra ireo mpaka entana avy any amin’ny faritra sy any ambanivohitra hiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Mifanitsa-kitro ny magazay sinoa mpamongady ireo entana fandravahana tra­no manamarika ny andro Krismasy. Tonga tamin’ity herinandro ity rahateo ireo entana avy any ivelany ary hifanotofana ny fividianana izany. Tsy […]

Tily Taona 2022- 2023 : mizara 9 ny rafitra foibe

Mitsinjara ho sivy ny rafitra foiben’ny Tily izay tarihin’ny filoha foibe sy filoha foibe mpanampy miisa roa ao anatin’ny taom-piasana faharoa 2022 – 2023. Hampandro­so ny skotisma Tily eto Madagasikara ireo ekipa ireo. Hita ao anatin’izany ny sampana aim-panahy sy fitoriana filazantsara (APF), departemanta fanabeazana (DFB), olon-dehibe, kalitao sy firotsahana […]