Fiaraha-monina

Tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo : hiara-hiasa ny Unicef sy ny PAM

Ankoatra ny fizarana sakafo mitondra hery anatin’ny hamehana, hanao tantsoroka sosialy sy hanampy amin’ny fahafahan’ny ankohonana miatrika ny tetikasa vaovao any Atsimo. Atambatra ny asa nosahanin’ny mpisehatra rehetra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy, hifameno ny tohana sy ny asa ka hisy fiantraikany […]

The preachers : “Vavaka no fanalahidy hamahana olana”

Betsaka ireo loza sy karazam-pahotana misy maneran-tany. Efa maro ny olona tsy te hivavaka intsony ankehitriny. Sahirana ihany koa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny fitadiavana asa sy ny fiheverana izay mety hahatafavoaka amin’ny fiainana. Tsy manosika ireo tanora ireo ny teknikam-panabeazana misy eto an-toerana ka mahatonga izany. “Vahaolana ny fanaovana […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra : vita ny fanavaozana ny tsenan’ny Coum 67 ha

Vita soa aman-tsara ny fanatsarana ny tsenan’ny Coum etsy 67 ha. Manomboka miverina mivarotra ireo mpivarotra rehetra ao an-toerana. Nasiam-panavaozana sy nohatsaraina tao anatin’ny fotoana fohy ny tsenan’ny Coum 67 ha. Vita an-tsakany sy an-davany ny fotodrafitrasa ankehitriny. Mbola tsy nisy mpitantana ny kaominina nahavita asa goavana toy izao teo […]

Fisotroan-dronono : mila hajaina ny tetiandro fizarana

Nanomboka omaly hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsinjarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ity volana septambra ity, araka ny tetiandro navoakan’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny amin’ny perceptions principales sy ny Trésorerie principale intercommunale (Tpic) ary ny Trésorerie principale eto Analamanga dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no […]

Toby fitaizana ny zaza kambotin’ny polisy : nanolotra fitaovana ny masoivoho amerikanina

Nitondra fanampiana ho an’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena any Ambato­lampy ny masoivoho amerikanina, i Claire Pierangelo, omaly. “Nifanandrify tamin’ny faha-22 taona nisian’ilay asa fampihorohoroana niseho tany Etazonia ny fotoana”, hoy ny tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Rick Hays. “Ny fanabeazana no tsara indrindra entina mioitra […]