Fiaraha-monina

Tetikasa ankizy krismasy : foana ny haban’ireo kaontenera

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Ma­dagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Te­tikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo […]

CNIDH : nampahafantarina ny fifanarahana momba ny zo sivily sy politika

Nanao fampirantiana ny momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ho an’ny vahoaka, omaly ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon’ olombelona (CNIDH) teny amin’ny Parvis Analakely. Naranty sy nazavaina ho an’ ny mpitsidika izany miaraka amin’ny fandraisana fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ny filoha […]

Nakatona ny ENS : nahita vahaolana iraisana ny mpianatra sy ny MEN

Nanao fanambarana ny fi­a­didiana ny oniversiten’An­ta­nanarivo fa mikatona nanomboka ny 7 desambra lasa teo hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny Ecole normale supérieure (ENS) eny Ampefiloha hitandrovana ny filaminana sosialy. Tsy nanao fampilazana mialoha ny hanao fitokonana ireo mpianatra ireo ka hoentina eny amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny oniversite ny mahakasika ireo […]

Faritra 19-Sehatra tsy manara-drafitra : Ivontoerana valo miantoka ara-pahasalamana olona 643 796

Nampiroboroboana ny fitsanganan’ny toeram-piantohana momba ny fahasalamana misahana ny sehatrasa tsy manara-drafitra ahazoan’ny olona maro misitraka tolotra ara-pahasalamana manana kalitao tsara. «Amin’izao fotoana izao, valo ny fikambanana misahana ny fiantohana ny fahasalaman’ny mpikambana misandrahaka amin’ny faritra 19 ao anatin’ny federasiona Miara-Miahy», hoy ny filohan’ny federasiona, dokotera Randriamalala Vero. Mive­lo­na sy […]

Gender Links : Ankasitrahana ny fomba fiasa tsara

Hifarana anio ny fandefasana fandraisana anjara amin’ny fihaonambe an-tampony karakarain’ny Gender Links izay hatao ny 14 sy 15 desambra izao eto Antananarivo. Mikendry fomba fiasa tsara, indrindra amin’ireto lafiny maro ny fihaonambe an-tampony : asa fandraharahana natokana ho an’ireo vehivavy mpisitraka ny fanofanana « sunrise » izay nosahanin’ny Gender Links ho […]