Fiaraha-monina

Vady miaramila (FIVAMI): “Tsy mifidy salan-taona ny diabeta”

Mitohy ny fizahana fahasalamana tarihin’ny FIVAMI. Notsirihina manokana ny momban’ny aretina diabeta. Tsy mifidy salan-taona ary miteraka fahajambana sy fahasimban’ny voa mety hiafara amin’ny fanaovana hémodialyse ny aretina diabeta, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny AMADIA, ny  Dr Haja Ramonjisoa, omaly. Ho fitohizan’ny hetsika efa natomboky ny Fikambanan’ny Vady Miaramila […]

Fampidirana mpianatra garabola Mila omanina ara-tsaina ny ankizy madinika

Nitondra fanazavana ny psychologue , Rajaonarivnyo Holitiana, mikasika ny fanomanan-tsaina tokony hatao amin’ny ankizy madinika vao hisantatra ny sekoly.  Mitaky fanomanana ara-tsaina mialoha be ny fampidirana ny ankizy madinika any amin’ny garabola, izay isantarany ny lakilasy. Manomboka eo no isarahany amin’ny ray aman-dreniny voalohany, ialany amin’ny tontolo mahazatra azy ary […]

Ivontoeram-pikarohana momba ny fanafody: tsy manaiky hakana ny tany misy zava-maniry hitsaboana

Misy olon-tsotra mangataka ny velaran-tany 9 000 m2 anatin’ny faritra misy ny Ivontoeram-pikarohana mahakasika ny fanafody (Cnarp). Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fangalarana ny tany ampiasaina ho an’ny fikarohana eto Madagasikara ka tsy manaiky izany ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo […]

Toamasina: hampiantrano ny Andron’ny farmasianina 

Hotanterahina any Toamasina, ny 25 septambra izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tanin’ny farmasianina. “Ny farmasianina manamafy ny rafitra ara-pahasalamana” no lohahevitra voizina amin’izany. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manoloana ny Lapan’ny tanàna ho an’ny mponina any Toamasina no hanamarihana izany. Eo koa ny fitiliana diabeta sy tazomoka, fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra, vaksiny […]

Ambatomaro : fiarabe nibahan-dalana, niteraka korontana

Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpiasa mpamilina fiarabe iray nibahan-dalana vavahadin’olona teny Ambatomaro, oma­ly. Manao asa ao amina orinasa iray eny an-toerana ity fiarabe ity saingy tsy misy toerana afaka hijanonany ao amin’ny orinasa. Voatery mipetraka eny ivelany teo anoloan’ny vavadin’olona sady lalana ifamezivezen’ireo mponina ity fiarabe […]