Karazam-boky maro mirakitra tantara sy haren-tsaina no natolotry ny fianakavian-dRabearimanana Gabriel ny CUA, omaly. Natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra, ny fanolorana ireo boky nosoratany sy tahirin’ny profesora Rabearimanana Gabriel ho an’ny tranombokin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny kolontsaina […]
Fiaraha-monina
Natokana ho an’ny daholobe : andiany faharoa ny vaksiny miaro amin’ny polio
Niditra amin’ny andiany faharoa indray ny vaksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly ary haharitra hatramin’ny zoma izao, manerana ny Nosy. Nampidirina ho anisan’ny mpisitraka ny olon-dehibe satria hita tamin’ny fanadihadiana fa nisy olon-dehibe lasa nalemy tampoka vokatry ny fahazoany ny tsimokaretina «polyovirus». Vokatry ny fiparitahan’ny tay […]
English Club: mpitantana 26 nahavita fiofanana
Mpitantana English Club miisa 26 avy ao Antsiranana no nahavita fiofanana notarihin’ny Dr Kathleen Malu, avy amin’ny William Paterson University ao Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Nokarakarain’ny masoivoho amerikanina ny fiofanana ary nizarana azy ireo ny torohay sy teknika mahomby amin’ny fitarihana sy fanentanana ny English Club. Ankoatra ny fampahafantarana […]
Seces sampana Antananarivo : “Fitakiana iray amin’ny sivy no nivaly”
Fampiharana ny fehin-kevitra tao anatin’ny filankevitra nasionaly natao ny volana jona lasa teo ny firosoana amin’ny fitakiana samihafa ho fangatahana ny hampiharana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra. Nanao hetsika miaraka amin’ny fanamiana ahafantarana azy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Na teo aza ny fanambaran’ny Praiminisitra […]
Fanabeazana: manomboka ny taom-pianarana 2023-2024
Nanomboka niditra an-tsekoly omaly ireo mpianatra, hiatrika ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Miverina amin’ny fifantohana sy fahamatorana amin’izay manomboka eo. Misy amin’ireo sekoly sasany toy ny sekolim-pinoana mbola amin’ny herinandro ambony vao tena miverina an-dakilasy ny mpianatra. Fandraisana ireo mpianatra no tena hatao amin’ity herinandro ity, fanakaikezana sy fifankafantaran’ny mpampianatra sy […]