Fiaraha-monina

Fandrindrana ny fitaterana : nofanina ireo cadenceur

Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandrai­ke­tan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny […]

Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina

Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fo­kontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Mada­gasikara (AMM), i Masy Gou­lamaly, ny faran’ny herinandro teo. Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray […]

Orinasa manana vehivavy mpiasa mihoatran’ny 25 : Tokony hanana toerana fampinonoana, araka ny lalàna

Miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, mampiroborobo ny fahazoan’ny vehivavy mampinono ny zanany any am-piasana. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka maro. Efa niakatra 54% ny tahan’ny fampinonoana ny zaza amin’ny nonon-dreny tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany, eto amintsika, […]

Sakafo an-tsekoly: nanolotra tohana ara-tsakafo ny Rosianina

Tontosa omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Rosia, teny Ivandry, ny lanonana nana­marihina ny fanolorana fanampiana ho an’ny governemanta malagasy. Ny eny anivon’ny sekoly no tena hisitraka izao fanampiana izao. Niarahan’ny firenena Rosianina tamin’ny Programe alimentaire mondial (Pam) ny fanolorana izany. Ny tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nandray izany […]

Fitaizam-batana: mahasarika ny mpanjifa ny vokatra natoraly

Hiara-hiasa ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha sy ny Vondrona JCR misehatra amin’ny fitsaboana sy fiarovana avy amin’ny zavamaniry eto Madaga­sikara mitondra ny anarana Vaniala. Nosafidiana manokana ny ANS satria toerana ahitana ivontoerana fitaizam-batana sy fanaovana fanatanjahantena ary fanabeazana tanora maro, hoy ny tale jeneraly lefitra ao amin’ny vondrona JCR, […]