Fiaraha-monina

« Fijery hafa »-Alaotra Mangoro : Liana amin’ny fiofanana ny tanora

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny LTP Ambatondrazaka, ny hetsika « Fijery Hafa » ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tolotra fanofanana maro no nahafahan’ireo olona miisa 8 788 nisoratra anarana amin’ny sehatra 13. Anisan’izany ny teknika nohatsaraina amin’ny voly […]

Association Seyen : nanoratra boky hanampiana ny mpanala fanadinana

Niforona ny taona 2022 ny association Seyen, mpandraharaha, coach de vie, sady mpitarika ary injeniera ny filoha mpanorina azy, Rafaniriantsoa Nomenjanahary Aimé Elia. Eny Itaosy ny ivontoerana misy ny fikambanana. Midika hoe « race de guerrier » na taranaka mahery fo na taranaka mpiady ny anarana Seyen. Nalaina tamin’ny horonan-tsary miaina « Dragon […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina ny sabotsy teo ny fandraisan-tanana ny filohan’ny Synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10) eo anivon’ny FJKM, Razafindrakoto Andriam­ba­lohery Hasinarivo. Nifanotronan’ireo fiangonana manodidina ny 300 aty amin’ny SPAA 10 izany. Nametraka ny vinany 12 izy, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana kristianina. Lavapiringa moderina miisa 290 no hapetraka eto Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Loowat […]

Fivama : Nitombo ny fahatokisan-tenan’ireo vita fiofanana

Nifarana ny herinandro teo ny fampiofanana nomen’ny fikambanana Viavin’i Mandri­tsara (Fivama) ireo andriambavilanitra mpikambana ao aminy. Naharitra 5 herinandro ny fampiofanana mahakasika ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka, ho sahy mijoro sy maneho hevitra. Nilaza ny filohan’ny fikambanana, Razafindrafotsy Joela Martine, fa nahafahan’ireo vehivavy manana fahatokisan-tena amin’ny fahaizana maneho hevitra ny fiofanana norantoviny. […]

Tetikasa hub : mitondra fampandrosoana any Atsimo Antsinanana

Nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ny asan’ny USAID tany Atsimo Atsinanana, izay notarihin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, no nijerena ny tetikasa ma­matsy herinaratra. Zava-dehibe ny fahazoana herinaratra ha­na­tsarana ny fandrosoana ara-toekarena amina tanàna sy faritra iray. Tetikasa Hub na foibe ahafahan’ny olona misitraka herinaratra tohanan’ny Power Africa, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Empowering Southern Africa, izy ity. […]