Taorian’ny fiaraha-mientan’ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta tany Toamasina dia azo tsapain-tanana ny vokatra. Anisan’izany ny teo amin’ny filaminam-bahoaka. Niha nihena ny asa ratsy taorian’ny fitsidihana sy fihaonana manokana tamin’ny polisy sy ny minisitra Erick Michel. Nivoitra nadritra ny fihaonana ny fiaraha-manombana ny ezaka efa natao sy nanomezana toromarika hiatrehana […]
Fiaraha-monina
Fanaparitahana laza adina hosoka : Efa nandraisana fepetra ireo voakasika rehetra
Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanadinana bakalorea. Anisan’ny ifotoran’ny tomponandraikitra ny ady amin’ny fiparitahan’ny laza adina. Miara-miasa ny polisy sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony Nanao sonia fiaraha-miasa, omaly, teny Anosy, ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur […]
INDRAY MIJERY
Taorian’ny fahavoazana sy ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani tao amin’ny “Laboratoire ACSSQDA”, niroso tamin’ny asa fanarenana ity fotodrafitrasa ity ny fanjakana. Vita tanteraka izany ary niverina ho toy ny vaovao indray, natao araky ny fenitra ahafahany mahatohitra rivodoza sy loza voajanahary mety hitranga. Araka ny fangatahan’ireo mpianatra sy ny toromarika […]
Fahasambarana Mandrakizay: Olona 25 000 mahery no tonga tetsy Antsonjombe
“Fahasambarana Mandrakizay”. Io no lohahevitra nentin’ny fiangonana Vavolombelon’i Jehovah nifampizarana tetsy amin’ny Coliseum, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 25 000 ireo olona tonga nanatrika ny hesika. Fiangonana 101 avy eto an-dRenivohitra no nanatrika izany, amin’ireo fiangonana Vavolombelon’i Jehovah miisa 875 manerana ny Nosy. “Iza ny olona tsy maniry ny ho […]
Any anaty tsena : Tsara ofana ireo hampihatra ny CMH
Niofana momba ny fahadiovana eny amin’ny tsena ireo mpiasan’ny CUA, tompon’andraikitra misahana ny fanaraha-maso ny CMH (Code Municipal d’Hygiène). Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa miisa 80 mpiantsehatra eny ifotony. Hanentana sy hampahatsiahy ny mponina sy ireo mpivarotra eny anivon’ny tsena momba ny “CMH” na ny fitsipika mifehy ny fikoloana […]




