Ny alakamisy lasa teo ny fotoana niarahan’ny mpanabe, notarihin’ny lehiben’ny fanabeazam- pirenena, nandinihina ny naoty farany ambany ho an’ny mpiadina tamin’ny fanadinana BEPC 2026. Natao tao amin’ny CEG de référence Ambodimanga izany, ho an’ny tanànan’i Toamasina Renivohitra. Niarahan’ny rehetra nanapaka fa naoty 9,50/20 no eken’izy ireo ka nahazoana ny taham-pahafahana […]
Fiaraha-monina
Nanatona vahoaka ny ESIA: Nitily maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra
Nanao fitiliana maimaimpoana ny diabeta sy ny tosidra avo (HTA) ho an’ny daholobe monina ao amin’ny fokontany manodidina ny ivontoeram-pitsaboana, eny Andranomena, ny ESIA, mpitsabo misahana ny fahasalaman’ny mpiasa. Ny diabeta sy ny fiakaran’ny tosidra no anisan’ny aretina mitaiza izay matetika tsy ahitana soritraretina mialoha nefa mety hiteraka fahasarotana lehibe […]
Fandraharahana ho an’ny tanora : Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa miisa 10
Misongadina hatrany ny tanora malagasy ao anatin’ny fifaninanana tetikasa fandraharahana mitrandraka ny haivao, karakarain’ny Confejes. Nisitraka famatsiam-bola avokoa ny tetikasa 10 avy eto Madagasikara nifaninana ho an’ny famaranana. Nahazo famatsiam-bola avokoa ny tetikasa fandraharahana miisa 10 naroson’ny tanora malagasy nifaninana tamin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny fandraharahan’ny tanora (PPEJ/ CTSO) 2026 an’ny […]
Fikambanana Akamasoa : Ahitana ivontoeram-panofanana teknika roa
Nitsidika ny ivontoeram-panofanana Mahatsara, tamin’ ity herinandro ity, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Dr Andriamampandry Todisoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Niarahana tamin’ny mompera Pedro Pablo Opeka, filoha mpanorina ny fikambanana Akamasoa izany. Nahazo fankatoavana ara-panjakana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ity ivontoeram-panofanana […]
Fondation Axian sy ny Kozama: Nanokatra sekoly eny Imerintsiatosika
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia teo, ny EPP Mandrosoa ao Imerintsiatosika. Fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny fikambanana Kozama ary ireo manampahefana sy mponina ao amin’ny kaominina Imerintsiatosika no nahavitan’ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas izy ity. Efitrano fianarana telo sy trano fivoahana no natsangana, izay manome toeram-pianarana […]




