Fiaraha-monina

Mponina 1 800 000 voatsinjo: natomboka ny asa fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra

Hitondra fivoarana tsara ho an’ny fahadiovan’ny rivotra eto Antananarivo ny fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra. Hifarana ny taona 2026 ny tetikasa ary hanohana amin’ny fahazoana fitaovana enti-miasa ny Japone. Natomboka omaly ny asa ho fanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny tetikasa « Gesda » na Fanatsarana ny fitantanana ny fako ho […]

Antalaha : nohavaozina ny tanàna Orange roa

Nanomboka ny taona 2012 no notohanan’ny Orange solidarité sy ny Fondation Orange ny tanànan’i Mahe­vadoany sy Ambodirafia, Cap Est, ao amin’ny distrikan’An­talaha. Nohavaozina ny fotodrafitrasa maromaro, araka ny fifanarahana tamin’ny ONG Macolline. Tafiditra amin’izany ny toeram-pisakafoana an-dakilasy, toeram-pidiovana sy fivoa­hana ary ny paompin-drano hampiasain’ny mpianatra sy ny mponina ao Mahevadoany. […]

Akany Iarivo Mivoy : ahodina ho lasa zavakanto ny akora

Nanao atrikasa mikasika ny fanodinana sy fandrariana ny akora eo ampelatanana ho lasa haingo sy zavatra azo ampiasaina indray ireo ankizy sy tanora mipetraka etsy amin’ny Akany Iarivo Mivoy, Anosizato. Niarahana tamin’ny ekipan’ny “Art et Culture (AEC)” izany. Nahafahan’ireo ankohonana ao an-toerana nisitraka fiofanana momba ny fikirakirana akora plastika rariana. […]

Fanadinam-panjakana : hisokatra ny volana janoary ny fisoratana anarana

Ilain’ny sekoly ny lamina momba ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana, handrindrana ny fitantanana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina. Navoakan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia teo, ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-piana­rana 2023-2024 sy ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, araka ny didy hitsivolana […]

Sekoly tsy miankina : mbola marisarisa ny fisoratana anarana

«Tapa-bolana mialoha ny 4 septambra, tetiandro hisantarana ny taom-pianarana 2023-2024, mbola marisarisa ny fisoratana anarana eny amin’ ny sekoly tsy miankina amin’ ny fanjakana», hoy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ ny sekoly tsy miankina eto Mada­ga­sikara, Rakotomalala Célin, omaly. Amin’ny sekoly iray eny Itaosy, mpianatra 20 no namandrika toerana fa hanaraka […]