Nanomboka ny talata teo ary hitohy hatramin’ny 12 septambra ny fisoratana anarana sy fandraisana antontan-taratasy ho an’ny fandaharanasa «Young African Leaders Initiative (YALI) Mandela Washington Fellowship” ho an’ny taona 2024. Manana hatramin’ny 12 septambra ho avy izao ianareo tanora liana amin’izany hameno sy handefa ny antontan-taratasy ao amin’ny tranonkala mwfellows.info/apply […]
Fiaraha-monina
Fanafarana menaka : mihenjan-droa ny tady eo amin’ ny fadin-tseranana sy ny DMC
Eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha mikasika ilay fanafarana menaka hodiovina ho azo ohanina ataon’ny orinasa DMC sy ny fitoriana ataon’ny fadin-tseranana. Mbola henjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta. Nitondra fanazavana afakomaly, tetsy Ampasamadinika, ny mpisolovavan’ny orinasa Bid-Co, Ramaroson Tantely, sy ny mpisolovavan’ny orinasa DMC, Andriamparanirina Fanaja, mikasika ny […]
Faritra Anosy : nohamafisina ny fahaiza-manao momba ireo sehatra asa tekinika
Nikarakara fampiofanana ireo sehatra asa tekinika sivy ny Tekfutura. Nampahafantarina ny herinandro lasa teo, tany amin’ny faritra Anosy, ny antontan-kevitra enti- manofana momba izany. Notanterahina teny amin’ny misinitry ny varotra sy ny indostria tany Taolagnaro ny lanonana ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tondrozotra sy dingana hampivelarana ny sehatra asa teknika eto […]
Covid-19 any Frantsa : misy sokajy vaovao « Eris » voatily
Misy karazana Covid-19 vaovao antsoina hoe « Eris » any Frantsa, voatily tamin’ny 34% amin’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina any an-toerana. Avy amin’ny Omicron ihany izy ity ary mora mifindra sy miova, araka ny vaovao. Tsy mahomby 100% koa ny vaksiny efa natao hiarovana amin’ity tsimokaretina ity na manana […]
Tetikasa tafita : hiditra amin’ny andiany fahatelo
Nitondra vokatra miabo ho an’ny fanabeazana fototra ny fampiharana ny tetikasa “Tafita” tao anatin’ny taona maromaro. Hiditra amin’ny andiany fahatelo izany, ankehitriny. Nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa “Tafita”, andiany voalohany, teto Madagasikara. Efa andalam-pamaranana kosa ny tetikasa andiany faharoa amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hampandrosoana ny fanabeazana eny ifotony […]