Fiaraha-monina

Hopitaly Befelatanana : Betsaka ny reny sahirana tonga hiteraka

Nijery ny zava-misy eny amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana. Manoloana ilay vaovao niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ilay renim-pianakaviana avy niteraka tsy afaka mivoaka ny hopitaly fa tsy maintsy manefa trosa no anton’ny fidinana ifotony. « Voaporofo tamin’izany fa maromaro ireo renim-pianakaviana misedra izay olana izay », hoy izy. […]

CSI Mahabibo : Mamatsy vaksiny ny toeram-pitsaboana tsy miankina

Mifarimbona ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampitombo ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Afaka manatona ny Osiem avokoa ireo hampanao vaksiny na tsy zanaky ny mpiasan’ny orinasa mpikambana aza. Toeram-pandraisana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny orinasa (madinika sy lehibe) sy ny vady aman-janany, ny Osiem ao Mahajanga. Manana sampana fanaovana vaksiny izy […]

INDRAY MIJERY

Noho ny fisian’ny filazana loza miloko mena amin’ny fiakaran’ny rano sy ny mety ho fitohizan’izany ho an’Antananarivo sy ny manodidina, araka ny fampitandreman’ny BNGRC, mbola tsy mianatra ny mpianatra anio alarobia 19 febroary 2025. Voakasik’izany ny Cisco Tanà Ville, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Manja­kandriana, ary ny Cisco Anjozorobe. Miverina ny fampianarana […]

Soavinandriana sy Ifanadiana: Nahomby ny tetikasa MMS

Vita ny tombana farany mahakasika ny tetikasa andrana fizarana singam-pamelomana maro ho an’ny vehivavy mitondra vohoka (MMS pilote) natao tao amin’ny distrikan’i Soavinan­driana Itasy sy Ifanadiana, ao Vatovavy. Nisongadina ny vokatra na ho an’ny reny na ho an’ny zaza mahakasika ny fahasalamana sy fanjarian-tsakafo. Efa nampiana tsikelikely ireo distrika roa […]