Manambara ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa ny zoma 20 marsa 2026, izay andro hankalazana ny Eid Al-Fitr ho an’ireo mpino silamo, dia tsy fiasana fa andraisan-karama manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mihatra amin’ireo toeram-piasana rehetra izany. Mizara ao amin’ny pejiny ny Holafitry ny farmasianina fa raha […]
Fiaraha-monina
Ahmadiyya : Nanome tohana ny mponin’i Tongarivo
Toy ny fanaony isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, tokantrano 350, avy ao amin’ny fokontany Tongarivo, distrikan’Atsimondrano, no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana miziolomanina Ahmadiyya, omaly, teny amin’ny moske Tongarivo. “Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, ny hetsika toy izao. Tsy misy fanavahana sarangan’olona ny fisitrahana ny […]
Fampianarana ambony : Misokatra ny taom-pianarana 2025-2026
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany amin’ny Oniversiten’Itasy, ny taom-pianarana vaovao, 2025-2026, ho an’ny oniversitem-panjakana sy ny IST rehetra manerana ny Nosy. Nankasitraka ireo mpampianatra sy mpandraharaha izay mamolavola ny tanora ho lasa olom-banona ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra izany. Nanafatra ireo mpianatra koa izy […]
Zon’ny vehivavy : Nijoro ny tambajotran’ny mpisolovava
Nanatanteraka hetsika iraisam-pirenena teto an-dRenivohitra momba ny zon’ny vehivavy ny Nifin’Akanga. Nizara telo ny asam-bondrona tamin’izany. Nidinika niaraka ny mpitondra fivavahana sy ireo oloben’ny fiarahamonina momba ny fahitan’izy ireo ny zon’ny vehivavy sy ny finoana. Voaresaka tao ny fanolanana, araka ny voalaza ao anatin’ny Baiboly sy ny Coran. Tao koa […]
Fahasalaman’ny reny sy ny zaza : Hiara-miasa ny Unicef sy ny fondation Akbaraly
Nanao sonia fiaraha-miasa ny fondation Akbaraly sy ny Unicef hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy tolotra fahasalamana eto Madagasikara. Haharitra telo taona ny asa, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra. Efa samy manana fahaiza-manao momba ireo ny roa tonta. Hanamafy ny rafitry ny […]




