Oniversite miankina amin’ny fanjakana niorina ny taona 2013, ao Antsirabe, ny oniversiten’i Vakinankaratra. Mampiranty ny voka-pikarohana eto Antananarivo ireo mpianatra. Zana-tsehatra iray ao anatin’ny Sekoly ambony politeknika (anatin’ny oniversite) ny Automatisme informatique izay mahasarika mpianatra maro satria miroborobo ny indostria ao an-toerana. “Mampiranty ny vokatry ny asam-pikarohana nataony ireo mpianatra […]
Fiaraha-monina
Harembakoka iraisam-pirenena : Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny firenena 24 miofana
Mpilatsaka an-tsitrapo 37 avy amin’ny firenena 24 no nanaraka fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka nandritra ny herinandro, teny Antaninarenina. Niompana tamin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fiofanana. Hifarana anio, eny Antaninarenina, ny fiofanana niarahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao. Miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay […]
INDRAY MIJERY
Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ny ONG malagasy, Jeunes actifs pour le développement durable. Niarahana tamin’ny Unesco izany, izy ireo izay manana mpilatsaka an-tsitrapo 15. Ny fiarovana ny ala mando any atsinanana sy ny ala maina any andrefana no tena iasan’izy […]
Mpampivelona: Maherifo, miatrika ny krizy rehetra
Tanterahina any Mahajanga ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona, ho antsika eto Madagasikara. An’aliny ireo mpampivelona manerana ny Nosy andrasana ho tonga any an-toerana. “Ny mpampivelona, tsy maintsy ilaina amin’ny krizy rehetra” no lohahevitra voizina mandritra ny hetsika. Manome voninahitra ireo maherifo miasa mangina ireo ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]
Aro loza any am-piasana : Miofana ireo dokotera SMIE
Dokotera 44, avy amin’ireo sampandraharaha misahana ny fitsaboana eo anivon’ny orinasa (SMIE) miisa 29 manerana ny Nosy, no manaraka fiofanana eny Androhibe, nanomboka omaly ary mitohy anio. Mahakasika ny aro loza sy fahasalaman’ny mpiasa, karakarain’ny minisiteran’ny Asa no atao amin’izany. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo lehibe ny fiofanana. Eo ny fanentanana […]