Fiaraha-monina

« Star Tour Toamasina 2026 » : Hetsika ho an’ny tontolo iainana sy asa sosialy

Tsy fialamboly fotsiny ihany ny « Star Tour ». Miara-dalana eny ny hetsika fanentanana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana, toy ny tetikasa « Kopakelatra ». Nahangona tavoahangy plastika maherin’ny 10 000 isa ireo ekipa nitety fokontany tao Toama­sina, ny faran’ny herinandro teo. Sady nanentana ny mponina momba ny maha zava-dehibe ny fahadiovana sy […]

Tetikasa vatsian’ny Amerikanina: Novoriana ireo mpisehatra

Hanamafy ny fiaraha-miasa sy fandrindrana asa ary ny tamberin’andraikitra eo amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny ny masoivoho amerikanina. Izany no anton’ny famoriana ireo mpiandraikitra sy mpanatanteraka ireo tetikasa vatsian’ny governemanta amerikanina vola eto Madagasikara. Misy amin’ireo no vaovao, eo koa ireo efa taloha. Namory azy ireo ny lefitry ny masoivoho mpisolo toerana, […]

23 taona nikarakarana ankizy sy tanora : Feno ny tolotra omen’ny Centre sembana mijoro eny Ambohidrano

Tanjon-dRazafindrakoto Lala sy Razafinjato Fela, mpivady, samy manana fahasembanana ara-batana ny hanova ny fijerin’ny fiarahamonina manoloana ny olona manana fahasembanana. Satria, tsy sakana ho an’ny fivoarana izany. Porofo mivaingana amin’izany ny fisian’ny Centre sembana mijoro nanomboka ny taona 2003 hatramin’izao, ary mivelatra kokoa amin’ny fotodrafitrasa, any Ambohidrano. Nifindra eny Ambohidrano, […]

Mpianatry ny EPP : Manao tombana ny roa volana voalohany

Hifarana ny zoma izao ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Manao tombana ny fandrai­san’­ny mpianatra ny lesona nampitaina ny mpanabe, amin’­ity herinandro ity, mia­loha ny hidirana amin’ny fiatoana mandritra ny herinandro. Hiverina an-dakilasy in­dray ny mpianatra, ny 9 no­vam­bra ho avy izao. “Somary mbola sahirana ny mpanabe niatrika ny […]

12 tapitrisa Ar no vidiny : Azo soloina plastika ny vanin-taolana

Marary 15 hisitraka vanin-taolana artifisialy ao amin’ny CHUJRA. Mahatratra 12 tapitrisa Ar ny vidin’ny “prothèse” iray. Misy manampahaizana avy any Brest miara-misalahy amin’ny Profesora malagasy hanao ny fandidiana na ilay antsoina hoe: “arthoplastie”. Saropady ny aretin’ny vanin-taolana. Lafo dia lafo ny fanoloana azy ho artifisialy ho an’ireo tsy main­tsy mila […]