Nivoitra tao anatin’ny fivorian’ny Seces, sampana Antananarivo, ny alatsinainy teo, fa mitohy hatramin’ny 7 aogositra izao ny oniversite maty. Tsy misy mpampianatra hampiodina eny amin’ireo fakiolte rehetra. Tetsy andaniny, namoaka fanambarana ihany koa ny fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika (FDSP) fa hiombom-po haneho firaisankina amin’ny Seces ka hampitsahatra ny […]
Fiaraha-monina
Orange Solidarité-UNFPA : hanohana ny vehivavy
Hifanohana ny Orange Solidarite sy ny UNFPA ary ny orinasa Orange Madagascar ho fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ny fikirakirana ny nomerika. Hanampy sy hampitaovana ireo tranon’ny tanora manerana ny faritra maro ny roa tonta amin’ny fanomezana “connexion”, fanofanana sy ny famakiam-boky. Eny anivon’ireo tanàna Orange, hanofana ireo […]
ONN sy FAO : mamolavola boky torohay hahaizan’ ny isan-tokantrano mahandro
Azo ovaovaina ny sakafo ho an’ny isan-tokantrano amin’ny vokatra misy eo aminy isam-paritra. Hamolavola boky torohay mifandraika amin’izany ny teknisianina. Hanohana teknika ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN) ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) mandritra ny roa taona ho avy. Hiompana amin’ny fanentanana ny fianakaviana […]
Polisin’ala : Mendrika omena hasina
Marihina isaky ny 31 jolay 2023, ny Andro maneran-tany ho an’ny polisin’ala. Mandray anjara amin’izany fanamarihana izany ny ONG Impact Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity taona ity, hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Tanjon’ny hetsika ny fanomezana hasina sy ny toerana sahaza […]
Ady amin’ny famarinan’olona : mitentina 2 tapitrisa dolara ny vola enti-miasa
Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona. Misy ny tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara hotanterahina, izay vatsin’ny governemanta amerikanina, hiadiana amin’zany famarinana olona izany. Hanampy ireo mpitandro filaminana hahazo ny fiofanana ilainy ity tetikasa ity. Hahafantarany ny famarinana amin’ny endriny rehetra, sy hahaizany misafidy […]