Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Tontosa teny amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, Ampandrianomby, ny fanokafana ny tetikasa Systematic Observations Financing Fa­cility (SOFF). Hitondra fanohanana ho an’ity foibe ity ny tetikasa izay vatsian’ny SOFF ary tanterahin’ny Fi­renena mikambana ho an’ny Fampandrosoana (Pnud) ha­na­tsarana ireo kalitaon’ny antotam-baovao vokarin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy […]

Distrika Taolagnaro : Tokantrano maro mampiasa fatana mitsitsy

Tetikasa Magnasoa no hi­antsoana ny fizarana fatana mitsitsy mitsinjo ny tontolo iainana ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Fi­taovana fandrahoan-tsakafo madio no iantsoana ity fatana ity satria antsasaky ny arina fandrehitra fampiasa andavanandro dia afaka mahamasaka sakafo. « Hihena ny entona maloto, haingana ny fandrahoana sa­kafo… Voaaro ny tontolo iainana », hoy […]

SPSM nasionaly-Ambatofotsy: 2 000 ny mpiasan’ny fahasalamana andrasana

Hihaona eny amin’ny Tanànamaitso Ambatofotsy ny Solidarité du pesonnel de la santé de Madagascar (SPSM), rahampitso. Fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny samy mpiasan’ny fahasalamana no hatao. Manodidina ny 2 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana andrasana ho tonga hifampizara hafaliana, ahitana dokotera, paramedy, infirmiera, rasazy…Hisy lalao fifaninanana amin’ireo fitaleavana ho fanehoana firahalahiana. […]

Fitatazana rotsakorana: Hametrahana fotodrafitrasa eto Antananarivo

Rehefa ao anatin’ny fotoana tsy fiavian’ny orana, miatrika olana goavana ny mponina eto Antananarivo amin’ny fahazoana rano, toy ny niseho tamin’ny taon-dasa. Misy ny vahaolana fohy ezaka nataon’ny tetikasa ho fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio sy ny minisiteran’ny Rano, fa­nadiovana ary fidiovana, ta­min’ny fametrahana bonbonne lehibe misy rano amin’ny […]

New York – “Ecosoc 2025” : Tanora 3 manatevina ny delegasiona malagasy

Manatrika ny hetsika mahakasika ny fanamafisana ireo zon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny asa, izay karakarain’ny Ecosoc 2025 Youth Forum, tontosaina any New York, i Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, manatrika ity fihaonana ity, any an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, […]