Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Notanterahina tao amin’ny UCR Toamasina ny jeritodika sy fanolorana tatitra momba ireo asa vita sy ireo fanamby tokony hotanterahina taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani. Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ireo asa fanarenana, mba hahazoana antoka fa mipaka amin’ny vahoaka tokoa ny ezaka rehetra ataon’ny […]

Fiatrehana tondradrano : Nanamafy ny fahaiza-manao ny tomponandraikitra

Anisan’ny faritra mitondra takaitra vokatry ny rivodoza sy ny tondradrano i Taolagnaro. Nahatsiaro ho manana andraikitra manoloana izany ny orinasa QMM, mpiara-miombon’antoka amin’ny BNGRC, ka nanamafy ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’ny fiatrehana izany. miainga eny anivon’ny fokontany ny fiofanana ka mipaka any amin’ny Faritra. Miisa 50 ireo mpiantsehatra ifotony nisitraka […]

Fahaverezan’olona misesisesy : « Mila fongorina hatrany am-potony », hoy ny Seces

Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) Sampana Antananarivo. Amin’ny maha raiamandreny azy ireo, eo anatrehan’ireo fahaverezan’olona misesisesy tato ho ato, mahakasika ny ankizy sy olon-dehibe saika manerana ny Nosy. Araka ny hita sy iainana ankehitriny, very fanahy mbola velona ny ambanilanitra, ampijalian’ny tebiteby eo am-pikarohana ny […]

Fahamailoana amin’ny hala-jaza : Arahi-maso akaiky ny vahiny mivezivezy isam-pokontany

Nanatanteraka fivoriana maika ny OMC ao Ambohidratrimo. Manoloana ny hala-jaza, tapaka fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny vahiny mivezivezy eny amin’ny fokontany. Samy hojerena akaiky na ny teratany na ny avy any ampitan-dranomasina. Napetraka ny fiaraha-miasan’ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary ny mpitandro filaminana rehetra eo anivon’ny distrikan’Ambohidratrimo. […]

INDRAY MIJERY

Hisokatra manomboka ny 14 jolay izao ny lalana tapaka manoloana ny farihin’Anosy mihazo ny kianja Barea Mahamasina. Hiverina toy ny mahazatra teo aloha ny lalan’ny fifamoivoizana amin’io faritra io. Mampahafantatra ny mponina ny CUA ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PIAA2 fa hisy fanovana eo amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eny amin’ny […]