Fiaraha-monina

Fanadinana CEPE: Napetraka ny rafi-pandaminana vaovao

Fantatra tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hisy ny rafi-pandaminana vao­vao amin’ny fiatrehana ny fa­nadinana CEPE sy ny fifaninanana hidirana kilasy fahe­nina. Mba ho fiantohana ny fampandehanana izany fanadinam-panjakana voalohany ho an’ny mpianatra izany, nisy ny fanatsarana napetraky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany in­drindra ny fe-potoana fikarakarana ny lafiny […]

CSB II Tanambao Sotema: Tsy sakana amin’ny fanohizana ny vaksiny ny fahaverezan’ny karine

Manao vaksiny ny zaza latsaky ny 5 taona manomboka ny alatsinainy ho avy izao hatramin’ny zoma ny mpiasan’ny CSB II Tanambao Sotema (Mahajanga). Efa misy lamina ny fanatanterahana ny asa ka natokana ho an’ny vaksiny BCG, ny talata, ary ho an’ny vaksiny miaro amin’ny kitrotro kosa, ny alakamisy (faha-9 volana […]

Fampiofanana araka asa : Mianatra ny modely 3FPT i Madagasikara

Noraisin’ny tale jeneralin’ny Fonds de financement de la formation professionnelle, Dr Babo Amadou BA, sy ny ekipany, ao amin’ny foibe any Sénégal ny delegasiona malagasy. Nitarika izany, tany an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Harisoa­ma­narivo Angelico Ennodius, izay nisolo tena ny minisitra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra […]

INDRAY MIJERY

Nanolotra fitaovana fanentanana ho an’ny fandaharanasa O3 ny Unesco amin’ny sehatry ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny Lycée téchnique et commercial Ampefiloha, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanome fahafahana ny tanora hahazo fanabeazana ara-pananahana feno sy manara-penitra hahazoana antoka fa ho voaofana izy ireo amin’ny fomba mirindra, miaraka amin’ny fahaiza-manao […]