Fiaraha-monina

Faritra Bongolava : Harovana ny fahasalaman’ny tanora

Ao anatin’ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka amin’ny fisorohana ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST/VIH) sy ny fampiroboroboana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, nanolotra kapoty ho an’ny lehilahy (préservatifs masculins) sy takela-panentanana momba ny VIH/Sida ho an’ny Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports (DRJS) ny DRSP Bongolava. Mikendry […]

fanofanana arakasa : Miara-miasa ny minisitera sy ny JICA

Notanterahina omaly ny fanaovan-tsonia ny « Record of discussion » mahakasika ny tetikasa fiaraha-miasa ara-teknika ny « Projet de développement des ressources humaines dans le secteur de l’industrie minière ». Tanjona ny hanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa […]

Fakan-kevitra ho an’ny tanora: Miroso amin’ny dingana farany ny fanjakana

Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, omaly, tetsy Andakana, fa efa mizotra mankany amin’ny dingana na fandravonana farany mahakasika an’ity fakan-kevitra ho an’ny tanora ity ny minisitera. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny faran’ny volana jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny fandravonana […]

INDRAY MIJERY

Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra, hitohy anio, any amin’ny tapany atsimon’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana, ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Toamasina ary ny eo anelanelan’i Maha­janga sy Analalava. Fampitandremana miloko mena ho an’Ampanihy hatrany amin’ny tanjona Vohimena, tanjona Bobaomby hatrany Toamasina ary Mahajanga hatrany Analalava. Notanterahin’ny Holafitry ny infirimiera […]

Fandaminana ny fifamoivoizana : Hofoanana ireo fiantsonana maromaro

Ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, nametraka lamina vaovao ny fiadidiana ny tanàna. Vahaola­na dinihina ny fanafoanana sy famindrana ny fiantsonan’ny taxi-be sasantsasany mba ha­namorana ny fivezivezen’ny fiara sy hampihenana ny fitohanana. Voakasik’izany ny eny Ankadimbahoaka, Tsim­ba­zaza ary sampanan’ny Fa­sankarana Efa nisy ny fanandramana mialoha nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny […]