Tokony hampianarina hitia ny tontolo an-dranomasina ny ankizy raha vao eny amin’nyambaratonga voalohany. Mpianatra mpikaroka manomana doctorat, Randrianandrasana José, izay « océanographe » sady « biologiste marin » ary miara-miasa amin’ny ONG Reef doctor sy ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) ao Toliara. Misehatra anatin’ny tetikasa Artificial […]
Fiaraha-monina
Fito ny “reserve dure” : 100 000 Ar ny sazy voafaritry ny dina
Fokontany fito manana tanàna 23 no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Velondriake, niforona ny taona 2003, hiaro ny fari-dranomasina, hampitombo ny vokatra samihafa. Nanangana kaoperativa ny mpanjono 2 500 izay miara-miasa amin’ ny ONG Blue ventures. Ny vehivavy no misahana ny fitantanana ny fari-dranomasina misy ny horita arovana fa ny lehilahy manjono, […]
Andavadoaka : Faritra arovana an-dranomasina voalohany eto Madagasikara
Teo aloha, vokatry ny fihenan’ny hazandranomasina, mandeha miandriaka indroa na intelo isan’ andro ny mpanjono madinika. Nisy fiantraikany tamin’ny rohivoahary an-dranomasina izany ka simba ny vatohara sy ny ahidrano. Nanomboka niasa ao amin’ny tanànan’Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny ONG britanika Blue Ventures (BV), ny taona 2003 […]
Vonjy voina ivelan’ny hopitaly: hisokatra ny toerana fikirakirana ny antso an-tariby
Nampahafantatra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoerana fikirakirana ny antso an-tariby (CRRA) hanampy amin’ny vonjy voina mahazo ny olona tampoka ivelan’ny hopitaly. Efa miofana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra izany mba ho tena fahombiazana sy hisy fiantraikany amin’ny fanavotana ain’olona ny fisian’izy ireo. Nanazava ny profesora Rakotoarison Nicole, talen’ny Dcamum fa maro ny […]
Seces Antananarivo : nitondra vahaolana ny « cellule de crise »
Manoloana ny toe-draharaha manahirana lalovan’ny firenena ankehitriny, mijoro ny Seces sampana Antananarivo, amin’ny alalan’ny « cellule de crise ». Mitondra soso-kevitra ho fanarenana ny firenena, araka ny fanambarana nataony, omaly. Anisan’ny niantefan’izany ny fanabeazana, fampianarana, fampiofanana, fikarohana. Olana ny tsy fametrahana rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana mazava sy mahomby avy amin’ny fitondrana […]